airtel

Sosialy

16-févr-2024

Fahatapahan-drano eto Antananarivo

Olana mandavan-taona, tafakatra 1500Ar ny iray bidon

Sample post image

Tsy lohataona, tsy ririnina, tsy fahavaratra fa misy olana hatrany

16-févr-2024

famatsian-drano eto Antananarivo. Anatin'ny fotoam-pahavaratra izay mahabe ny rotsak'orana isika izao, kanefa maro ireo fokontany no mampiaka-peo noho ny fahatapahan-drano lavareny, am-bolana na an-taonany mihitsy. Niverina nitokona indray ny tetsy Ampandrianomby ny alarobia teo taorian'ny fitokonana nataon'izy ireo ny volana novambra teo. Raikitra ny fandrehetana afo sy fanakanan-dalana. Efa enim-bolana mahery izao no tapaka lava ny rano eny an-toerana dia nidina an-dalambe izy ireo. Raikitra ny fandorana vatan-kazo sy kodiarana ; tabataba sy fitsofana kiririoka ary tapaka ny fifamoivoizana noho ny hatezerana. « Mba tsy rariny kosa raha ny rano izay tena ilaina isan’andro no lasa mampisy fandaniana mihoa-pampana be indray isan’andro. Izahay izao dia voatery mividy rano iray bidon 1500 Ar rehefa tena tsy mahita. 1000 Ar no mba azoazo izay mba omen’ny mpiray vodirindrina manana paompy an-trano’’, hoy ny mponina. Isan'ny filana fototra sady mariky ny aina ny rano, ary raha ny fahitana azy, tsy ritra ny eny Mandroseza, kanefa dia olana mandavan-taona ny rano. Lasa haingo ambony tsikoko ny tetikasa maro izay hanaovana sehoseho ivelany toy ny teleferika, raha ny rano aza mbola olana goavana ho an'ny renivohitra. hanaovana sehoseho ivelany toy ny teleferika hitrosana vola tsy tiko tsy forohana, raha ny rano aza mbola olana goavana ho an'ny renivohitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

ataon’ny Fitondrana, saingy

Card image cap
05-oct-2026

Mbola vao 20 isan’olona isan-taona

Card image cap
02-oct-2026

Hohamafisina ny lalana sy ny fiarovana

Card image cap
02-oct-2026

Entana lany daty 2 taonina

Card image cap
02-oct-2026

Olona 1250 no nandray anjara

Card image cap