Raha nahamaivay tamin’ireny fotoana ireny ny tsikera hoe main-tany aza izao no zava-mitranga maika fa fahavaratra dia io tokoa fa nipoitra ny nampoizina. Efa lasa fanalana araka ny fitenin’ny tanora ny an’ny mpanjifa sasany omaly tanatina ora atoandrobe nanahary ny hoe “fa amin’ny firy izao ora izao no toa maizina ny tany aman-danitra?”. Ny tany amin’ny toeran-kafa indray moa tapaka 5 minitra dia miverina 2 minitra dia avy eo tapaka 10 minitra indray dia miverina dia toy izany hatrany. Ny fitaovana miankina amin’ny herinaratra miha simba hatrany, indrindra moa fa ny fihariana. Fahavaratra araka ny efa nanampoizana azy moa izy ity ary tena mampanahy ny hoe hanao ahoana ny tohiny satria taom-pifidianana ity taona ity? J. Mirija