airtel

Sosialy

17-avril-2024

FAHOMBIAZAN’NY FIAINANA

« Tsy voatery ho vola sy diplaomabe »

Sample post image

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

17-avril-2024

mahazo asa ambony dia izay no fahombiazan’ny fiainany. Tsy izay anefa no tena izy hoy Pastera Heritiana. Nambarany fa zavatra efatra loha no mandrafitra ny fiainan’ny olona dia ny ara-bola, ny ara-pahasalamana, ny ara-pitiavana ary ny ara-panahy. Rehefa manam-bolabe ny olona iray hoy izy dia matetika voa any amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Misy indray salama fa sahirana ara-bola raha misy koa ny manam-bola fa tsy ambinina ara-pitiavana. Mifamadibadika eo ireo raha ny fanazavany antony mahatonga ireo tanora nilofo fatratra nandany firy taona nianatra nefa tsy mahita asa akory aty aoriana. Manana diplaomabe izy fa tsy manam-bola. Misy indray anefa tena tsy manana diplaoma saingy mampiasa olona manana diplaoma marobe ary tena hidiram-bola. Tsotra ny vahaolana amin’izany hoy hatrany i Pastera Heritiana dia ny fivavahana sy ny fiarahana amin’Andriamanitra. Marobe mantsy ireo karazana olona mety tsy voavahan’ny sain’olombelona sy ny fahaizany intsony hoy izy fa Andriamanitra irery ihany no mahavaha azy.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala manafatra fa ara-panahy ny fiainana eto an-tany !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap