Vokatra mangahazo avy amin’ny kaominina Isaka, Vohitrarivo, Befeta ary Ikalalao samy ao anatin’ny distrikan’Ambohimahasoa no haodina mba hahazoana lafarinina avy amin’ny mangahazo. Efa tonga any Isaka noho izany ireo milina hotantanin’ny Kaoperativa Kolo Aina. Nidina nijery sy namantatra ny toerana ametrahana ity indostria ity ny Fitaleavam-paritry ny Minisitera na ny DRICC Matsiatra Ambony ny fiandohan’ny herinandro teo, ary afaka 15 andro dia tokony ho vita ny fanatsarana ny trano ametrahana ny fitaovana, hoy ny tompon’andraikitra. Ny volana febroary teo no efa niresahana ity tetikasa ity vokatry ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra Edgard Razafindravahy tany amin’ny ilany atsimo, ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-7 dia ny fampiroboroboana ny indostria.
Toky R
Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny tsangambaton’ny FISEMARE na Firaisamben’ny
Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,