airtel

Sosialy

07-août-2026

Famadihana ny ranomasina

ho rano fisotro

Sample post image

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

07-août-2026

Efa eo am-pamolavolana ny tetikasa lehibe vaovao ho an'ny famadihana ny ranomasina ho rano fisotro madio any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, izay efa taona maro no miatrika olana tsy fahampian-drano. Tia mamboly ny Vahoakan’Androy fa noho ny tsy fisian-drano dia tsy afaka mamokatra. « Indraindray izahay any Androy mieritreritra hoe ampahantrainina an-tsitra-po ve Androy mba hahazoana famatsiam-bola isan-taona. Raha izay tokoa ny zava-misy dia toy ny atao takalon’aina (otage) ny Vahoaka any Atsimo », hoy ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Hatao ao Tsirangoty, 7 km miala an’Ambovombe, faritra Androy, ny fananganana ity ozinina fanadiovana sy fanovàna ny ranomasina ity ho rano fisotro madio. Araka ny vinavina, hahavokatra 1 500 m³ isan’andro ny ozinina ary hahafahan’ny olona mihoatra ny 75 000 misitraka rano madio sy azo antoka. Natao ara-panjakana omaly 6 Aogositra tao amin’ny Lapan’ny Fanjakana Iavoloha, teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Aureate Resources ny fifanarahana amin’ny fanatanterahana ity fotodrafitrasa ity hanangana ozinina indostrialy afaka manova ny ranomasina ho rano fisotro madio ity, vahaolana maharitra ho an’ny mponina ao amin’ity faritra tena iharan’ny tsy fahampian-drano ity. Efa nambara ihany koa ny dingana voalohany amin’ny fanatanterahana. Tokony ho tonga any Ambovombe alohan’ny fiafaran’ny volana Aogositra ny orinasa, ary antenaina ho tonga eto Madagasikara amin’ny volana Novambra ny fitaovana avy any Chine. Hanomboka avy eo ny fametrahana ny ozinina, ary vinavinaina hiasa amin’ny faran’ny volana Janoary 2027. Vinavinaina fa tsy hijanona ho an’Ambovombe irery ny vokatra. Mikasa ny handinika tambajotra fizarana ho an’ireo tanàna manodidina ny Fanjakana satria mihoatra ny filàna eo an-toerana ny vokatra andrasana. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa lehibe kokoa hanamafisana ny fahazoan’ny mponina rano any atsimo, izay ahitana ny fananganana fotodrafitrasa ara-pambolena sy rano, ny fampitomboana ny lavadrano, ny fiarovana ireo loharano efa misy ary ny fampiasana teknolojia vaovao mifanaraka amin’ireo faritra tena marefo amin’ny tsy fahampian-drano. Manamarika dingana vaovao ho an’ny faritra Androy ny tetikasa, ary manome fanantenana vaovao ho an’ireo mponina efa ela niaina tao anatin’ny olana ara-pahadiovan-drano. Andrasana izany ny fivadiany ho asa sy vokatra azo tsapain-tanana.

Raha tetikasa ho an’ny tanàna kely eto Madagasikara, ny vidin’ny ozinina antonony mamokatra 25 000–100 000 GPD (1GPD :3,735 litatra dia eo amin’ny 200 000 ka hatramin’ny 600 000 USD, ary raha ozinina lehibe indostrialy kosa dia mety hahatratra an-jatony tapitrisa dolara.
Toky R 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

azo volena no voatondraka rano

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap