airtel

Sosialy

07-août-2026

Fambolem-bary any Alaotra

35% monja amin'ireo tany

Sample post image

azo volena no voatondraka rano

07-août-2026

Ny fambolena vary no iankinan'ny 90 %-n'ny toekarena ao Alaotra Mangoro. Tsy misy afa-tsy ny 35% amin'ireo tany azo volena ihany no mbola voatondraka noho ny fahasimban'ireo foto-drafitr'asa, araka ny nambaran'ny lehiben'ny Faritra Alaotra Mangoro, Rabemananjara Élire Joseph. Izany, hoy izy farany, no mahatonga ny ankamaroan'ny tanimbary hiankina amin'ny rotsak'orana sy mora iharan'ny hain-tany na ny tondra-drano. Nomarihiny koa fa tena ilain'ny faritra ny fanarenana ireo foto-drafitr'asa toy ny toho-drano mba hampitomboana ny vokatra. Andro faharoa amin'ny Foara ara-toekarana Manandratra tanterahina ao Ambatondrazaka anio. Tonga any an-toerana nanome voninahitra izany ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Nilaza ity farany nandritra ny fihaonany tamin'ireo solontenam-panjakana ao an-toerana fa ny fanatsarana ny famokarana no lakilen'ny fampitomboana ny fidiram-bolan'ny tantsaha sy ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra. Nohamafisiny fa tsy ampy ny fampitomboana ny vola miditra. Ilaina, hoy ihany izy, ny mampihena ny fandaniana ateraky ny halavirana sy ny fahasarotan'ny fahatongavana any amin'ny faritra, indrindra ny vidin'ny fitaovana sy akora ilaina amin'ny famokarana ary ny entana ilaina andavan'andro. Anisan'ireo vahaolana azo raisina amin'izany, hoy ny Minisitra, ny fanamafisana ny kaoperativa sy ny fiaraha-mientan'ny mpamokatra, mba hahafahana mampihena ny fandaniana sy manatsara ny fari-piainan'ny mponina eny ambanivohitra. Hitohy hatramin'ny rahampitso 8 Aogositra ny Foara Manandratra. Ankoatra ny vary dia isany misongadina mandritra ity hetsika ara-toekarana ity ireo vokatra sy sehatra afaka mitondra tombontsoa amin'ireo Distrika dimy mandrafitra ny Faritra Alaotra Mangoro.
Nangonin'i Jean D.
Manampahefana mitsidika ireo tranoheva amin'ny Foara Manandratra 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Mila ovaina ny sazy ho an’ireo

Card image cap
07-août-2026

Hatsangana any Androy ny ozinina goavana

Card image cap
06-août-2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Card image cap