airtel

Sosialy

17-avril-2024

Famerana ny karaman’ny mpiasa

Nivoaka ny didy, ho tanteraka ara-bakiteny ve ?

Sample post image

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

17-avril-2024

ny karama farany ambany sy ny sokajin’asa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nohamafisina araka izany, fa dia 262 800Ar ny karama farany ambany na SME (Salaire Minimum d’Embauche) ho an’ny sehatra tsy ara-pambolena, raha toa ka 266 500Ar kosa ho an’ny seha-pamokarana mikasika ny fambolena. Voafaritra ao anatin’io ihany koa ny karama arakaraka ny sokajin’ny mpiasa. Tsara ny manamarika fa nihatra nanomboka ny 01 martsa teo ity didy efa noraisina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ity. Efa nisy ihany koa moa ny fihaonana teo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana, ka nivoahan’ilay hoe : hakarina 10% ny karama farany ambany, ary arakaraka ny sokajin’asa kosa ireo mpiasa hafa. Miandry ny akony izany ny rehetra hoe : tanteraka ara-bakiteny sa hanao ahoana ? Tamin’ny jolay 2022 niakaran’ny vidin-tsolika teo amin’ny 45% mantsy no nandraisana fepetra tahaka izao, saingy tsy mbola nisy teo amin’ny tantara ny hoe: noferana ho 250000Ar ny karama farany ambany, kinanjo nilatsaka ho 238000Ar avy eo noho ny nafitsoky ny Fanjakana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap