airtel

Sosialy

17-janv-2023

Sosialy

Fampiakarana vidin’entana “Tsy ekena ny fanararaotana, hamafisina ny fitsirihana”

Sample post image

Hanamafy ny fitsirihana ireo endrika fanararaotana amin’ny fampidanganana vidin’entana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana,

17-janv-2023

araka ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety notarihin’ny Sekretera jeneralin’ity minisitera ity, Atoa Onja Miandry Rakotondramanana omaly 16 janoary. Isan’ny anton’io ny mety hisian’ny fanararaotana eo anatrehan’ny fitokonana ataon’ireo mpitatitra PPN eny amin’ny RN2, kanefa mbola misy ny tahiry samihafa, ary raha lavabe ny fitokonana vao mety hisy fiantraikany io, hoy ny Minisitera. Hamafisina ny fidinana ifotony, ka hisy ny fitsirihana ny faktiora, ny fametahana ny vidin’entana, fanaraha-maso ny mety ho fanitrihana ny entana,… Raha niompana tamin'ny fampahatsiahivana ny didy aman-dalàna ny natao tato ho ato, dia hiroso amin’ny resaka fandraisana fepetra ny Minisitera: lamandy, fisintonana ny fahazoan-dàlana, fanakatonana,... Tsy miditra amin’ny famerana vidin’entana na “plafonnement” aloha hatreto satria misy làlana mamaritra izany, fa kosa hanamafy ny fitsirihana ireo Kaomiseran’ny varotra satria misy rahateo ny antsoina hoe: “prix de référence” ka tsy tokony hisy ny fanararaotana be, hoy hatrany ny fanazavana. Momba ny vary manokana, mahatratra 140 000 taonina ny nafarana hiatrehana ny maitso ahitra i Madagasikara amin'izao, ary efa naparitaka amin’ny faritra 23 ireo vary ireo. Nihena hatrany amin'ny 3% ihany koa ny famokarana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ka misy fiantraikany amin'ny vidiny izany. Ny vidin’entana ankampobeny kosa, nanipika ny Minisitera, fa miankina betsaka amin'ny fivoaran'ny vidin'entana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fivoaran'ny vidin'entana eto satria mbola hafarana ny ankamaroan’ny entana ilaina andavanandro na PPN eto. Miakatra ohatra ny siramamy satria nahenan'ny Indianina ho 10.000.000 taonina ny haondrany hojifain’ny firenena hafa nanomboka ny volana jona 2022, ary efa manomboka feno io fatra io, hany ka tsy maharaka ny tolotra intsony ny tinady. Nanipika kosa moa io Minisitera io fa tsy hidangana be ny vidin’entana fa eo ho eo amin'ny 5% ny fiarakana amin'ny ankapobeny, raha ny tombatomban’io Minisitera io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap