airtel

Sosialy

23-janv-2025

FAMPIASANA RANO AMIN'NY VOVO

Mety hiteraka aretina maro, ilana fitandremana be

Sample post image

Mihabetsaka ireo olona mampiasa rano amin'ny vovo ankehitriny vokatry ny tsy fahampian-drano

23-janv-2025

avy amin’ny JIRAMA. Ilana fitandremana be anefa ny fampiasana azy io izay miainga any amin’ny fisafidianana ny toerana nametrahana azy hoy Dokotera Rakotonoelina Domoina. Tsy manakaiky toeram-pivoahana sy toerana fanariana rano maloto ohatra. Mila olona matihanina ihany koa ny manamboatra azy farafaharatsiny. Asina carreaux na ciment ny manodidina azy ary mihidy tsara amin’ny fotoana rehetra. Na izany aza anefa dia tsy azo antoka tanteraka izy ireny raha araka ny fanazavan’ity dokotera ity hatrany manoloana ny fenitra napetraky ny OMS famaritana ny atao hoe : Rano madio azo sotroina sy hampiasana ka tsy anisan’izany ny rano avy amin'ny vovo izay tsy nandalo laboratoara sy fanadiovana manokana na ilay antsoina hoe : traitement. Misy akora (propriété chimique sy propriété biologique ) ilaina amin'ny fanadiovana ny rano fa tsy azo hatokisana loatra ny fampiasana ireo fanadiovana hamidy eny an-tsena ary misy fatrany takiana sy fenitra manokana ihany koa ny fampiasana azy ireny. Voakasikn’izany ny sur'eau , sns.. Ny filtre indray hoy Dokotera Domoina dia mbola tsy dia misy traikefa be loatra. Tsara sy mety araka izany hoy izy dia hampangotrahana foana aloha ny rano vao sotroina sy hampiasana. Hangonina mialoha ihany koa ny rano dia avela hitsiaka mandritra fotoana maromaro . Alina tontolo ohatra izay vao hampiasana. Mijanona any ambany daholo ny loto mandritra iny fotoana iny ka ny 10cm any amin'ny farany tsy hampiasana intsony. Tsara raha hatao toy izay ihany koa ny rano handroana satria mety hiteraka aretin-koditra ny fampiasana rano tsy voadio entina hanadiovam-batana. Maro ny aretina azo avy amin'ny fampiasana rano tsy voadio raha araka ny fantatra ka anisan’ireny ny Choléra, ny Hépatite A, ny Polyomelite, ny fandoavana matetika, ny tazo mola, ny tazovony , ny aretin’ny torimaso….Tsiahivina moa fa volabe no lanin'ny orinaasa Jirama amin'ny fanadiovana io rano jifaintsika io. Misy dikany izany ka tsy tokony hatoky loatra ny rano tsy nandalo fanadiovana manokana isika alohan'ny hampiasana azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy azo antoka loatra ny fampiasana rano amin’ny vovo tahaka izao ka ilana fitandremana !
 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Nidina ifotony, mifampitankosina mivantana amin'ny tantsaha mpiompy sy mpandraharaha

Card image cap