Tonga nitsidika ara-panajana ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, Minisitry ny fahasalamam-bahoaka omaly ny Masoivohon'ny Vondrona Eoropeanina vaovao miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Isabelle Delattre-Burger. Ny fampandrosoana hatrany ny rafi-pahasalamana ho fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana hositrahin’ny Malagasy no vontoatin-dresaka teo amin'ny roa tonta.Vola mitentina 32,5 tapitrisa Euros no ho atonton'ny Vondrona Eoropeanina ho an'i Madagasikara ho fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka. Teti-bola izay hirona avy hatrany any amin'ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana, ny CSB sy ireo hopitaly lehibe ary ny fanamafisana ny traikefan'ireo mpiasan'ny fahasalamana miandraikitra mivantana ireo marary eny ifotony.Izany dia hitondra vokatsoa mivantana ho an’ny Malagasy tsirairay. Fijery iray ary tanjona iray amin’izao fiaraha-miasa mafy orina izao dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy ankanavaka na sokajin-taona na toeram-ponenana.
Legende : Ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina.
Pati
Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,