airtel

Sosialy

20-août-2026

FANADIOVANA

RANOMASINA HO RANO FISOTRO

Sample post image

Efa ao Ambovombe ireo teknisiana Sinoa hanao ny asa

20-août-2026

Efa Tonga ao Ambovombe Androy amin'izao ireo teknisiana Sinoa misahana ny tetikasa dessalement, na fanadiovana ny ranomasina ho lasa rano fisotro, ary efa manomboka ny asa. Ao Tsirangoty manodidina ny 7 km miala an'Ambovombe, no hametrahana ny orinasa fanodinana rano. 1.500 m3 no vinavinaina ho vokariny, tombanana ho afaka hamatsy rano fisotro ho an’olona manodidina ny 75.000 isa. Raha mandeha araka ny fandaharam-potoana ny asa hoy ny vaovao azo dia amin'ny faran'ny volana Janoary 2027 no vinavinaina hanomboka hahazoana ny rano fisotro voalohany avy amin’ity tetikasa ity ireo mponina ao Ambovombe Androy. Manoloana ny haintany maharitra sy ny hasarotan'ny fahazoana rano any Androy moa dia anisan'ny tetikasa lehibe sady andrasan’ny mponina fatratra izy io. Raha tsiahivina dia tamin'ny 06 Aogositra lasa teo ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Minisitry ny rano sy ny fanadiovana no nanao sonia fifanarahana amin'ny fananganana ozinina fanodinana ranomasina ho lasa rano fisotro madio. Nanomboka omaly dia efa raikitra avy hatrany asa fa tsy nijanona tamin'ny resaka sonia fotsiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny fanombohan'ny asa any an-toerana !
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Notolorana mari-piofanana ny tao amin’ny boriboritany IV

Card image cap
18-août-2026

Noraisin’ny Minisitry ny Fanajariana

Card image cap
18-août-2026

Manolotra vahaolana azo tanterahana

Card image cap