tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sosialy

Fanampina tsiro hatao amin’ny sakafo Mety hitarika « insuffisance rénale »

Mitombo isa hatrany ireo olona lasibatry ny faharerahan’ny voa na ny insuffisance rénale amin’izao eto amintsika.

22-févr-2023

Sample post image

Tsy mifidy taona intsony izy io na kely na lehibe fa saika lasibatra avokoa ny rehetra ka misy mihitsy ireo mamoy ny ainy tsy fidiny. Raha araka ny fanazavan-dRandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana dia antony maro no mahatonga izany. Ho an’ny ankizy madinika ohatra dia vokatry ny fihinanana ireo ody vavony matetika misy akora simika no mahatonga izany. Eo ihany koa ny fihinanana paty amin’ny endriny maro samihafa. Ho an’ireo olon-dehibe kosa indray dia anisan’ny antony mahatonga izany ny fahazarana mihinana fanampina tsiro hatao amin’ny sakafo indrindra fa ny laoka. Eo ihany koa ny tsy fisotroana rano, ny fihinanana kitonotono miaraka amin’ny zava-pisotro misy alikaola ho an’ny lehilahy….Ny fahaizana mandanjalanja ny sakafo hohanina ihany araka izany no vahaolana hahafahana miady amin’ny aretin’ny voa hoy hatrany ity mpitsabo ity. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hisotroana rano betsaka sy hihinana sakafo natoraly ahitana ny legioma sy ny voankazo.
Pati
Legende : Mila fitandremana ny fihinana ireo karazana paty hita sy miparitaka eny an-tsena
 

Dans la même rubrique

Voir plus