airtel

Sosialy

03-mars-2026

Fanatrarana ny

fahavitan-tena ara-tsakafo

Sample post image

Vonona hanohana ireo ivon-toeram-pikarohana Malagasy ny CGIAR

03-mars-2026

Taorian’ny seminera siantifika teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo dia nidina nankany Antsirabe any amin’ny faritra Vakinankaratra ireo tale jeneralin’ny CGIAR maromaro. Nisy ny loabary an-dasy nijerena ny olana sedrain’ireo ivon-toeram-pikarohana nasionaly miisa 05 dia ny FOFIFA, ny FIFAMANOR, ny CFAMMA, ny SOC, Ary ny IMVAVET. Saika nitovitovy avokoa ny olana : antitra ny foto-drafitr’asa, tsy ampy ny mpikaroka ka mihena ny isan’ny mpiasa, teo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny ara-bola. Nanambara Atoa Randriambololona Lambotiana Fabien, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana fa maro ireo manam-pahaizana mpikaroka efa lasa nisotro ronono ka tsy maintsy mieritreritra ny fitondrana amin’izao fotoana hoe ahoana no fomba ampidirina ireo mpikaroka mbola tanora mba ahafahan’ireo zandry mandray ny traikefan’ireo lehibe alohan’ny andehanan’ireo lehibe misotro ronono.

NY KARAZAM-BARY FOFIFA 198
Isan’ny voka-pikarohana efa nivoaka fiaraha-miasan’ny AfricaRice sy ny FOFIFA ary efa nankatoavin’ny SOC ary tena tian’ny tantsaha maro ny masomboly vary FOFIFA 198 izay mahazaka tondra-drano sy hatsiaka ary tsara ny vokatra.
ANDRANA SY FIKAROHANA ARY TOROHAY

Taorian’ny fijerena ny laboratoaran’ny FOFIFA sy ny ivon-toerana famokarana Azote-n’ny FIFAMANOR ary ny laboratoaran’ny CIP (International Potato Center) amin’ny famokarana masomboly vaovao mikasika ny ovy sy ny vomanga, dia nanaitra ny maro ny fitsidihana ny « Parc d’innovation » na vala tahaka lehibe ahitana ny voka-pikarohan’ireo CGIAR iraisam-pirenena sy ny ivon-toeram-pikarohana nasionaly. Ny Vala tahaka na « Parc d’innovation » koa dia fanaovana andrana amin’ny voly sady toerana ampiharana ny voka-pikarohana ary ivon-toerana fanofanana ny tantsaha amin’ny torohay. Nohamarihin’Atoa Pieter WAUTERS avy amin’ny CIP fa ankoatry ny fanatsarana ny masomboly ovy dia ampianarina manao « transformation » ihany koa ny tantsaha satria misy hery fiarovana sy « nutrition » anatin’ireny sakafo ireny. Namarana ny fidinanana ifotony tany Antsirabe ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny CIP sy ny FIFAMANOR. Tanjon’ireo ivon-toeram-pikarohana CGIAR rehetra ny hisian’ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap