tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Sosialy

Fandrindram-piainam-pianakaviana Hahatratra ny 60%-n’ny vehivavy no tanjona amin’ny 2023

Mbola vao ny 40%-n’ny vehivavy Malagasy hatreto no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.

17-nov-2022

Sample post image

Ankoatra ny tsindrona dia tsy vitsy ireo mampiasa ny pilina sy ilay fitaovana kely hasisika any anaty hoditra. Mbola tsy ampy anefa io taha io amin’ny ankapobeny. Fomba iray hahafahana manatsara ny toekarem-pirenena mantsy ny fampiasana ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana ho an’ny vehivavy izay miainga amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano. Mba hahafahana manatratra ilay tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ary dia misy ny fampitam-baovao sy fifanakalozan-kevitra tanterahin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra. Tanjona hatramin’ny taona 2023 ny hampiasain’ny 60% -n’ny vehivavy malagasy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana maoderina. 15 taona moa no zandriny indrindra amin’ireo vehivavy mampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana raha 50 taona no zokiny indrindra.
Nangonin’i Pati
Legende : Samy naneho ny heviny avokoa ny isam-paritra teto
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Delestazy, vidim-piainana midangana… Efa mampanangana saina fotsy
05-juin-2023

Maro amin’ny malagasy ankehitriny no efa manangana saina fotsy na koa hoe maneho fa resy tanteraka manoloana ity olan’ny herinaratra ity na delestazy

Voir plus