airtel

Sosialy

16-févr-2024

FANOLANAN-JAZA

Tafakatra 12 ny tranga teto Antananarivo tamin’ity volana ity

Sample post image

Mirongatra ny fanolanan-jaza eto amintsika. Manomboka amin’ny 02 taona

16-févr-2024

ka hatramin’ny 16 taona ireo zaza lasibatra izay saika simba avokoa ny ankamaroany. Ho an’ny teto Antananarivo fotsiny raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana dia nahatratra 12 isa sahady tamin’ity volana Febroary vao misasaka ity raha tafakatra 133 isa izany nanerana ny Nosy tamin’ny volana Janoary lasa teo. Hohamafisina noho izany ny sazy omena ireo mpanolana raha araka ny fanazavan’ity Ministra ity hatrany no sady hohampiharina ihany koa ireo fepetra efa noraisina toy ny famorana ireo tsy mataho-tody mba ho famaizana azy…. Miantso ny Ray aman-dReny manan-janaka kely mba ho mailo hatrany noho izany ireo tompon’andraikitra ka tsy hahatokitoky na iza na iza hisorohana izay fanolanana mihamahazo vahana izay. Lohalaharana amin’izany ny dadabe, ny dadatoa, ny dadafara, ny dadakely sy ny Ray niteraka, ny mpanampy an-trano lehilahy raha toraka izay ihany ireo mpiara-monina hafahafa fihetsika…
Pati

 

Dans la même rubrique

30-avril-2025

Nilanja sora-baventy tetsy Anosy omaly ireo mpivarotra manodidina iny radiom-pirenena iny.

Card image cap
30-avril-2025

Mivaralila tanteraka ny famatsiana herinaratra sy rano ao amin’ny boriboritany fahatelo

Card image cap
29-avril-2025

Mahazo vahana tanteraka ny fisaraham-panambadiana eto amintsika.

Card image cap