airtel

Sosialy

31-juil-2025

FANOMEZANA KOPIAM-PAHATERAHANA

Hifanome tanana ny CUA sy ny OIF

Sample post image

Misy hatrany ireo zaza vao teraka tsy manana kopia mari-pahaterahana eto Antananarivo renivohitra.

31-juil-2025

Miparitaka manerana ny Fokontany 192 izy ireo. Ankoatra ny fiterahana amin'ny Renin-jaza dia anisan'ny antony tsy hahavitan'ny Ray aman-dReny manao ny fanambaram-pahaterahan'ny zanany eny anivon'ny kaominina ny tsy fananam-bola sy ny tahotra miditra birao. Hiara-kiasa hamaha izany olana izany ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny OIF. Vita sonia omaly Alarobia 30 Jona ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny roa tonta mifandraika amin'izany. Opération Kopia faobe andiany faha-2 no hatao amin'izany eto Antananarivo, kasaina ho vita mialohan'ny fidiran'ny mpianatra. Tanjona ny hanomezana kopia mari-pahaterahana ho an’ny ankizy sy olon-dehibe miisa 24. 000 tsy mbola manana izany. Hisy ihany koa ny fanoratana ara-dalàna ireo zaza vao teraka ao anaty boky sy ny fanofanana ny mpiasan’ny kaominina amin’ny resaka sora-piankohonana. Tsiahivina moa fa manana iray volana eo ho eo ny Ray aman-dReny manao ny fanambaram-pahaterahan'ny zanany vao teraka eny anivon'ny kaominina.
Pati
Légende : Vonon-kiara-kiasa handeha lavitra ny roa tonta !
 

Dans la même rubrique