airtel

Sosialy

18-août-2026

Sosialy

FANORENANA TANANA VAOVAO Vonona hamatsy ara-bola ny Egiptiana

Sample post image

Noraisin’ny Minisitry ny Fanajariana

18-août-2026

ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson René de Rolland, omaly Alatsinainy 17 Aogositra tao amin'ny birao fiasany ny Masoivohon’ny Repoblika Arabo Ejiptiana miasa sy monina eto Madagasikara Ramatoa Rabab Said Abdou Abdelhadi. Nifantoka indrindra tamin’ny tetikasa fananganana tanàna vaovao ny dinika. Ny mpanatanteraka ny tetikasa no hiantoka tanteraka ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana izany, ka tsy hisy ny fangatahana famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Malagasy. Kendrena amin’ny alalan’ity tetikasa ity ny fanatsarana ny fandaminana ny tanàn-dehibe, ny fampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ireo faritra voakasik’izany. Noresahina ihany koa ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, sy ny fanatsarana sy fampandrosoana ireo foto-drafitrasa, indrindra ny manodidina ny seranan-tsambon’Analalava Antsohihy. Izany dia mba hampiroboroboana ny asa ara-toekarena sy ny fampandrosoana eny ifotony. Nanamafy ny fahavononany hiara-kiasa amin’ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha mitondra tetikasa mahasoa sy afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara moa ny Ministera sady vonona hanaja ny lalàna manan-kery. Nasongadina manokana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny Fananantany ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo. Tanana vaovao hafa mihitsy ity vao hatsangana ity raha araka ny fantatra ka toerana maro no mety hahazo tombontsoa.
Nangonin'i Pati
Légende : Fifaliana tahaka izao no nihaonan'ny roa tonta !

 

Dans la même rubrique

18-août-2026

Manolotra vahaolana azo tanterahana

Card image cap