Noely sy ny faran’ny taona isika. Tsy mbola misy taitra amin’izany anefa ny ankamaroan’ny Malagasy raha ny zavatra hita eny rehetra eny vokatry ny fahasahiranana. Efa tazana mirantiranty eny an-tsena avokoa ireo karazana kojakoja ilaina amin’izany toy ny hazo noely, ny fitafiana maro isan-karazany, ny kilalao, ny kiraro, ny vatomamy sy ny bisikoitra… saingy tsy mbola misy mpividy. Ny mpanontany no betsaka raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray. Mitontongana ny fiainan’ny Malagasy hoy hatrany ity mpivarotra iray ity. Raha efa tsy naharaka ireo mpividy ny ain’izy ireo tamin’ny roa taona lasa tahaka izao dia lasa nofy tanteraka izany ankehitriny, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Tsy manam-bola ny olona raha bangoina. Ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro aloha hatreto no tena hilofosana sy mahafaty isan’andro. Izay hita koa anefa dia lany vokatry ny hamaivanan’ny sandam-bolantsika raha oharina amin’ireo vola vahiny. Manampy trotraka izany ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro. Nomarihin’ireo mpivarotra moa fa any amin’ny faha-20-n’ny volana Desambra any ho any vao mety hisokatra ny tsena raha izao no mitohy. Mbola miandry fandraisam-bola amin’ny faha-18-n’ny volana Desambra avokoa mantsy ireo mpiasam-panjakana raha amin’ny faha-15-n’ny volana kosa ireo mpaka avansy. Manodidina ny 10.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar moa no vidin’ny hazo noely iray amin’izao eny an-tsena raha efa 14.000 Ar kosa ny iray kilao amin’ny vatomamy sy bisikoitra.
Pati
Legende : Mbola jerem-potsiny aloha hatreto ny hazo Noely…
Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,