Raha nanantena ny hahalafobe mihitsy ireo mpivarotra akoho fakana nofony ohatra mba hanaovana misikita sy hatao laoka dia nifanohitra tamin’izay ny zava-nitranga. Tsy nahalany akoho 10 kg akory ny mpivarotra iray raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Isotry nefa efa namandrika akohon’olona hatrany amin’ny 20 isa. Toraka izany koa ireo mpivarotra gisa tetsy amin’ny digy miazo an’Ambohitrimanjaka. Mbola nisy nivarotra ihany izy ireo hatramin’ny omaly maraina saingy zara fa nisy mpividy. Tafakatra 150.000 Ar rahateo ny gisa lehibe iray ka naleon’ny mpiantsena nisafidy hena tsotsotra. Samy nilaza moa ny ankamaroan’ireo mpivarotra nanaovanay fanadihadiana fa tsy mbola nisy fety tahaka ny tamin’ity taona 2022 ity hatramin’izay noho ny hasarotan’ny fiainana. Ny vary aza moa efa hahatratra 1000 Ar ny iray kapoaka, antony tsy hahafahan’ny isam-baravarana mividy laoka tsaratsara intsony satria tsy maintsy kajiana tsara ny vola mivoaka.
Pati
Legende : Tsy dia nisy mpividy ny sakafo teny an-tsena
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.