Nitarika fanitsiana vaovao amin’ireo tolotra avy amin’ny CNaPS na ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ny fiakaran’ny karama farany ambany na ny SME (Salaire minimum d’embauche). Nanomboka navoaka ny vola sitrahana vaovao, miaraka amin’ny « rappel » na fanonerana ny volana maromaro. Niakatra avy amin’ny 10 000 ho 11 000 ariary isam-bolana ny fanampiana ho an’ny fianankaviana, nanomboka tamin’ity volana Aogositra ity, ary ho an’ireo volana dimy teo aloha, nanomboka Martsa ka hatramin’ny jolay, dia misy « rappel » 1 000 ariary isam-bolana. Ny « allocation prénatale » dia niakatra avy amin’ny 90 000 ho 99 000 ariary, ary ny « allocation de maternité » na volan-jaza avy amin’ny 120 000 ho 132 000 ariary. Ny « remboursement des frais d’accouchement » na fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana kosa dia niakatra ho 120 000 ariary, raha 106 000 ariary teo aloha. Misy ihany koa fanitsiana amin’ireo vola sitrahana mifandraika amin’ny loza arak’asa sy aretina manodidina ny asa. Ny « indemnité journalière » dia niakatra avy amin’ny 46 698,66 ho 53 333,30 ariary. Ny « indemnité de repas » na ny solon-tsalafo kosa dia avy amin’ny 6 061,96 ho 6 932,20 ariary isaky ny sakafo, ary ny « indemnité de déplacement » dia avy amin’ny 22 732,36 ho 25 962 ariary isan’andro. Ho an’ireo olona nangataka « allocation prénatale » na « allocation de maternité » nanomboka tamin’ny volana Martsa, dia asaina manatona ny biraon’ny CNaPS akaiky indrindra izy ireo mba hahazoana fanazavana momba ny fomba fandoavana ny fanonerana. Ny volan’ny fisotroan-dronona sy ny « rentes d’invalidité » dia manana fandaharam-potoana manokana. Ny vola ho an’ny volana Jolay, izay efa voavao, dia haloa amin’ny volana Oktobra, miaraka amin’ny « rappel » nanomboka Aprily ka hatramin’ny jolay. Ny vola ho an’ny volana Aogositra dia hampidirina anaty fanonerana ny aprily sy mey, ary ny volana septambra dia hampidirina ny aprily ka hatramin’ny jona. Ity fanitsiana ity dia maneho ny fiantraikan’ny fiakaran’ny SME amin’ny rafitra sosialy, ka mba miakatra kely ny tombotsoa sitrahan’ny mpiasa sy ny fianakaviany, saingy asa na mba hitany ihany manoloana ny sondrobidim-piainana izay tombanana hahatratra 10,1% amin’ity taona ity ?
Toky R
Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA