airtel

Sosialy

10-août-2026

Fianakaviana voaroaka

voatery nanosika posy

Sample post image

Tra-doza nifatrarana fiara Starex...

10-août-2026

Tsy nahazo karama, voaroka niasa, niala tao an-trano izy ireo, namoy ny zanany 15 taona teny an-dalana. Ny harivan’ny 1 aogositra, nanosika posy iray nitondra ny entany ny raim-pianakaviana iray, raha ny fampitam-baovao voaray nampalahelo ny maro ny sabotsy teo. Teo anilany ny vadiny, tao aoriany ireo zanany telo, raha ny fitantaran'ilay raim-pianakaviana. Noroahina tao an-trano izy ireo, tsy nanam-bola handoavana hofan-trano intsony. Avy tao Fenoarivo, hihazo an’Ampitatafika no nalehany. “Hitady fiadanana izahay”, hoy izy. Efa maizina ny andro. Nasiana jiro ilay posy ary ny zanany lahy 15 taona, ilay zokiny indrindra, nidina nanampy ny rainy nanosika azy. Niara-nandeha sy nihira izy ireo na dia teo aza ny havizanana. Tampoka teo, teny Antanimenabe, fiara Starex iray no nifatratra tamin’izy ireo. Nianjera ny fianakaviana manontolo. Naratra ny ankizy ary voa mafy ny lohan’ilay zazalahy. Nentina teny amin’ny HJRA izy ary mbola ny rainy no nanamory ilay fiara haingana. Tsy ampy anefa ny teo am-pelatanana, hoy ny rainy. Nitady ilay mpamily sy ny tompon’ny fiara izy ireo, saingy tsy nahita fanampiana intsony. Ny 3 aogositra, maty ilay zanany lahy. 15 taona monja. Efa niady ny sedram-piainana nandritra ny volana maro ihany koa ity fianakaviana ity noho ny karama sy ny zo ara-piasana tsy nositrahina. Izao kosa, ao anatin’ny fahoriana, alahelo sy fahasahiranana satria dia mbola maratra ny zanany roa vavy. “Mbola hanam-bola isika ry dada, aza matahotra dada”, hoy ilay zanany lahy tamin’ny fahavelony, raha ny fitantaran'ny rainy hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap