Mijery akaiky sy manara-maso ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika ny Ministera tompon’andraikitra. Raha araka ny fantatra dia nahatratra 27 isa ny fitarainana voarain’izy ireo tamin’ny volana Aogositra teo fotsiny ka noraisiny an-tanana sy nokarakarainy avokoa. Vokany, tafakatra 95 isa ny fanaraha-maso ifotony nataon’izy ireo tao anatin’ny iray volana, ka hazo sarobidy miisa 2. 000 no nogiazana, araka ny tatitra voaray. Zana-kazo miisa 2 .384.340 ihany koa no novolena tamin’ny velaran-tany 7. 408 ha teto amintsika. Ankoatra izay dia sokatra miisa 113 no nogiazana noho ny fanondranana sy varotra tsy ara-dalàna. Moto 20 isa no nozaraina tamin’izany hohampiasain’ireo teknisiana eny ifotony hanamora ny fanaraha-maso sy hanakaikezana kokoa ny vahoaka. Nahatratra 136 902 696 Ar kosa ny vola tamberim-bidy avy eo anivon’ny foibe, ho fanohanana ny fanatanterahana ny politika sy tetikasa nasionaly momba ny tontolo iainana. Hitohy hatrany ny fiarovàna ny tontolo iainana noho izany ho an’ny Ministerà tompon’andraikitra ho tombontsoan’ny daholobe.
Pati