airtel

Sosialy

10-juin-2026

FIETREHANA NY MAIN-TANY

Efa mivonona ny Jirama,

Sample post image

00MW ny fahabangan’ny RIA hatreto…

10-juin-2026

Ny volana Martsa hoan’ny taona 2025 no nanomboka ny fahatapahana herinaratra tao anatin’ny RIA na ny tambazotra iraisan’antananarivo. Ny volana may 2025 dia nahatratra 39,5 MW ny fahabangana teo amin'ny vokatra novatsiana ary tafiakatra 47,9 MW izany ny volana Jona 2025. Amin’izao volana jona izao kosa dia nilaza ny orinasa Jirama fa mbola 00 MW izay fahabangana izay satria miodina tsara avokoa ireo milina na ny any Andekaleka na ireo mandeha amin’ny solika. Raha ny tranga mety hiseho anefa dia tsy maintsy hihena ny famokarana any andekaleka izay miantoka ny ampahany betsaka amin’ny famatsiana ny RIA ka mety hiteraka ny fahabangan’ny famatsiana. Ho fiatrehana izany dia nisy ny Paik’ady natolotry ny Tale Jeneraly, ny Jeneraly RASOLOMANANA Hajatiana, izay nankatoavin'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Voalohany amin’izany ny Fandatsahana orana artifisialy any amin'ireo sahandriaka mamatsy an'Andekaleka, Mandraka ary Tsiazompaniry. Raha vantany vao feno ny fepetra hahafahana manao izany, tahaka ny omaly Alatsinainy. Fampihodinana ireo tobim-pamokarana herinaratra rehetra mandeha amin'ny solika sy ny fihomanana hampiasa ny TAC (30 MW) rehefa tena ritra ny rano ao Andekaleka, eo koa ny fametrahana milina mpihary herinaratra vaovao (LFO) izay hanamafy ny famokarana eto amin'ny Tambazotra iraisan'Antananarivo ary ny Fampidirana ireo vokatra azo avy amin'ny herin'ny masoandro izay tetik'asa vatsian'ny JIRAMA sy ny Fitondram-panjakana toy ny eny Mangatany Arivonimamo izay mamokatra (5,5 MWc), Ampangabe (5 MWc), Ilafy (7,5 MWc) ny 1MWc voalohany dia vinavinaina ho tafiditra ao amin’ny RIA ny faran'ity volana Jona izao. Eo koa ny fiaraha-miasa amin'ny FILATEX any Moramanga (15 MWc).
Solotiana

 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

Hoditr'akondro napetrak'i Andry Rajoelina

Card image cap
10-juin-2026

ho an'i Madagasikara indray

Card image cap
10-juin-2026

Nataony teny Malagasy ny

Card image cap