airtel

Sosialy

20-janv-2023

Sosialy

Fihaonambe momba ny fanjarian-tsakafo Ny kere tsy voafehy, “werawera” hatrany no lasa aloha

Sample post image

Hiatrika ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ireo governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny fanodidnana voka-pambolena.

20-janv-2023

Hotanterahina any Dakar Renivohitr’I Sénégal ny 25-27 janoary 2023 ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Fihaonana izay nomena ny lohahevitra «Nourrir l’Afrique : Souveraineté alimentaire et Résilience » izay iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina sy ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana. Atao io fihaonana io hifampidinihan’ireo Mpitantana Afrikanina hikarohana ny vahaolana rehetra hoenti-manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika, tafiditra ao anatin’ny drafitra Afrikanina ho an’ny famokarana ara-tsakafo na “Plan Africain d’urgence pour la Production Alimentaire” izay efa nankatoavina tamin’ny mey 2022. Efa nankatoavina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia 19 janoary teo io, ary notsipihina mihitsy aza fa voaasa manokana ny Filoha Rajoelina amin’ny maha tompon-dakan’ny fanjarian-tsakafo azy aty Arika, izay nambara fa vao nohamafisin’ny BAD tamin’ny dian’ny Filoha tany Washington ny volana desambra teo. Toa fanesoana an’i Madagasikara izany, raha tarafina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy ny fahantram-bahoaka eto, saingy ny “werawera” moa tsy mandeha foana. Vao 10 andro teo izay no nisy ny tatitry nataon’ny Firenena Mikambana (ONU) fa mahatratra 2,23 tapitrisa ireo olona ao anatny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na “insécurité alimentaire aiguë élevée » na “IPC Phase 3” any Atsimon’ny Nosy fotsiny. 36% amin’ny isan’ny mponina ao anatin’ireo distrika 21 nanaovana fanadihadiana tany Atsimo sy Atsimo-Atsinanan’I Madagasikara no ahitana izany, hoy ny tatitra. Atahorana mafy ny hitomboan’ny fahavoazana ary ahiana hiitatra sy hanatratra ny isa farany ambony na « pic » hatramin’ny volana martsa amin’ity taona 2023 ity noho ny vanim-potoana maintso ahitra, tena manahirana ny miatrika azy. Ny distrikan’Ikongo sy Bekily no voasokajy ho isan’ny tena lasibatra indrindra satria mahatratra ny 15% amin’ny mponina ao aminy no efa ao anatin’ilay IPC phase 4. Isan’ny fiampangan’ny depiote 105 tamin’ny fitsipaham-pitokisana io. Sao mba noho ny maha tompondaka amin’ny kere sy fampahantrana ny fanasana? Tsy ny fandehanana any Afrika no ratsy fa ny “werawera”, tena mila mijery ny fanaon’ny olona, fa raha izao fomba fiasa izao sy vokatra izao, dia miharihary fa tsy izy mihitsy. Nambara fa ho an’I Madagasikara manokana dia ho ambohipihaonan’ireo mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka tsy miankina ny fihaonana, izay nolazaina mihitsy mihitsy fa efa nahazoantsika fampantenana fanohanana, araka ny fihaonan’ny Filoha Malagasy tamin’ny BAD sy ny Fikambanana Big Win Philantropy tany Etazonia. Ho hita eo indray izany e.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap
16-avril-2024

Raha mbola misy koa ny azo atao sy ho zaraina amin’ny mpiara-belona dia tsy mitsahatra

Card image cap
15-avril-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

Card image cap