Anosy ary Atsimo Andrefana ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Nanavao ilay boky mandrafitra ny fiahiana ara-tsosialy na proctection sociale manuelle reactive aux chocs izy ireo, boky narafitra tamin’ny taona 2019 saingy efa tokony hasiam-panavaozana. Nisy ny atrikasa notanterahiny teny amin’ny hotel Radisson Blu teny Ambodivoina omaly nentina nandinihina izany, nahitana ireo mpiara-miombon’antoka toy ny PAM, ny UNICEF, ny FID, ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ary ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny fandraisana an-tanana ireo olona tena marefo eto amintsika. Efa mahatratra 1 tapitrisa moa ireo olona misitraka ity fanampiana avy amin’ny Ministeran’ny mponina ity any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ny FID no mandrindra sy manatanteraka izany raha mandray andraikitra feno ihany koa ny BNGRC noho izy ireo tafiditra ao anatin’ny ady hatao amin’ny tandindon-doza sy ny loza voajanahary. Ireo olona lasibatry ny kere sy ny haintany moa no tena tohanana amin’izany ao anatin’ilay tetikasa FIAVOTA. Hatramin’ny taona 2016 dia fantatra fa efa nahatratra 150 tapitrisa dolara ny fanampiana ara-bola enti-manatanteraka izany avy amin’ny banky iraisam-pirenena raha 1500.000 dolara kosa ny avy amin’ny UNICEF. Sady tohanana ara-tsakafo ny mponina, no hampianarina mamboly sy mikarakara sakafo maro loko ihany koa hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mety mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona. Tsy latsa-danja amin’izany ny toro-hevitra omena azy ireo mba hikarakara ny fahasalamany amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny, ny fanatonana tobim-pitsaboana ho an’ireo bevohoka….
Pati
Legende : Ireo nikaon-doha teny Ambodivoina omaly nitafa tamin’ny mpanao gazety !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,