Tontosa omaly teny Toby miaramila Ivato ny lanonana ofisialy nanolorana fanampiana avy amin’ny Federasiona Rosianina ho an’ny Repoblikan'i Madagasikara. Tonga nanatrika izany ny Filohan’ny ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michael, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina ambony, ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, ny Minisitry ny foloalindahy Jeneraly Maminirina Ely Razafitombo, ary ny Lehiben'ny Etamazaoro, Jeneraly Démosthène Pikulas. Nisolo tena ny Firenena Rosianina ny mpiraki-draharaha, Alexeï Buriak. Ny fanomezana dia ahitana bulldozer à chenilles, chargeur sur roues, grue mobile, pelle mécanique polyvalente, centrales électriques mobiles ary unité portative de traitement de l’eau. Tafiditra ao koa ny rafitra famatsiana herinaratra vonjimaika sy système de purification d’eau. Ireo fitaovana ireo dia hanampy amin’ny asa vonjy taitra sy fanarenana ny faritra voa mafy tamin’ny rivodoza Fitia sy Gezani. Ny "génie militaire" no hikirakira ireo izay hampiasaina amin’ny fandroahana ny potipoti-javatra, fanamboarana lalam-pifamoivoizana sy tetezana vonjimaika, ary fanarenana fotodrafitrasa sosialy,... Ny rafitra herinaratra mahaleo tena dia hanome famatsiana jiro vonjimaika, ary ny fitaovana fanadiovana rano dia hiantoka rano fisotro madio ho an’ny mponina. Nanamafy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, fa « efa 50 taona mahery ny fiaraha-miasa ara-miaramila tamin’i Rosia, ary efa nahazo fitaovana maro isika tamin’izany toy ny fiaramanidina mavesatra, fiara mifono vy, basy,… Manana ny maha izy azy izany fa ahafahan’i Madagasikara mitazona ny fifandraisany amin’ny rehetra sy mampihatra ny diplaomasia « tous azimuts ». « Ity fihetsika ity dia porofo fa mpiara-miombon’antoka azo antoka i Rosia. Tsy vitan’ny fiarovana ihany no iombonantsika fa koa ny sehatra sivily. Ireo fitaovana ireo, tahaka ireo kamiao efa natolotra teo aloha, dia afaka manampy amin’ny fitantanana ny loza voajanahary sy ny fananganana fotodrafitrasa sosialy. », hoy i Alexeï Buriak. Tsy vao voalohany ny fanampiana Rosiana: efa nandefa sakafo, fitaovana ara-pitsaboana, fitaovana manokana, angidimby fitaterana ary kamiao i Moskoa. Ankoatra izany, manohana ny fanofanana sy fiofanana ho an’ny miaramila malagasy ihany koa ry zareo Rosianina.
Toky R