airtel

Sosialy

11-août-2026

Fitakiana "indemnité de logement"

50000Ar no zakan'ny CUA hoy ny PDS

Sample post image

Nivoaka ampahibemaso namaly

11-août-2026

ny rahara olan’ny tambin-karama momba ny trano na "indemnité de logement" ho an’ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nilaza mazava ny PDS, Feno Ralambomanana, fa 50.000 Ariary ihany no zakan’ny toe-bolan’ny kaominina. Rfa nisy ny fifampidinihana niaraka tamin’ny mpiasa momba izany, raha ny filazany. Ny didim-panjakana n°2026-1476 no mamaritra azy ity, izay voatazona ho 200 000Ar ny an'ireo mpiasam-panjakana karamaina amin'ny alalan'ny tetibola ankampobeny, raha miankina amin'ny fahefan'ny kaominina kosa ny an'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, miankina amin’ny fahafahan’ny kaominina tsirairay ny fandoavana ny tambin-karama momba ny trano fonenana, izay tokony ho eo anelanelan’ny 14.000 Ar hatramin’ny 200.000 Ar isam-bolana. Ho an’ny mpiasa eto Antananarivo manokana, dia 64.000 Ar no horaisina: 50.000 Ar avy amin’ny kaominina sy 14.000 Ar izay efa noraisina teo aloha. "50000Ar no zakan'ny kaominina! Io aloha no nifampiresahana fa tsy haiko na manaiky na tsy manaiky, fa raha ny sendika nandalo teo dia hoe io tokoa ary ny zavatra azontsika atao, tsy afaka hanao mihoatra ny zakantsika, ka hinoako fa hanaiky ry zareo", hoy ny PDS Feno Ralambomanana manoloana ny hoe efa nanaiky ve ny mpiasa. Andaniny, mbola tsy naneho hevitra mazava ny sendika raha hanaiky na tsia ny fanapahan-kevitra. Nilaza kosa ny filohany, Raharijaona Jean François, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao fa tokony ho efa nisitraka izany ny mpiasa nanomboka ny volana Jolay. Noho izany dia nitaky ny hisian’ny “rappel” izy. Namaly ny PDS fa tsy ho tratra intsony satria efa mandeha ny karama volana Aogositra, saingy nanaiky ny hisian’ny “rappel” fa hotsinjaraina ny fandoavana noho ny fahasahiranan’ny kaominina. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny sendika fa tsy eo intsony ny sendika amin’ny fangatahana ataon’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo, fa amin’ny alalan’ny fivoriambe na fihaonana manokana amin’ny PDS no hanatanterahana izany. Hiravona eo ka hanaiky ilay 50000Ar izay nambaran'ny Kaominina fa izay no zakan'ny tetibola sa mbola hitohy ny adihevitra momba ny “indemnité de logement” ho an’ny mpiasan’ny CUA?
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap