airtel

Sosialy

19-janv-2023

Sosialy

Fitaleavam-paritry ny mponina ao Menabe « Tsy misy olona mivaro-janaka izany aty aminay »

Sample post image

Niparitaka ny vaova o tamin’ny tambajotran-tserasera facebook tao Menabe tao fa misy Ray aman-dReny mivaro-janaka ihany koa noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana.

19-janv-2023

Nidina ifotony tany amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankilivalo avy ireo tompon’andraikitra rehefa nahita izany. Fantatra nandritra ilay fanadihadiana natao fa Renim-pianakaviana iray mikorontan-tsaina no niteny izany vaovao rehefa natao ny fifampiresahana taminy. Toraka izany koa ny Ben'ny Tananà, ny Ray aman-dreny izay nitaiza azy ary ireo lonaky eo Ankilivalo. Nisy nandritra izany koa ny fifampiresahana tamin'ilay olona nanaparitaka io vaovao niaraka tamin’ny Ben'ny Tanana sy ireo Ray aman-dreny voalaza ireo ary niaiky izy fa mikorontan-tsaina io vehivavy io ka na ny valin-teniny sy ny fomba firesany aza dia manamarina izany . Miantso ny olom-pirenena mba tsy hanaparitaka vaovao tsy marim-pototra tahaka izany araka izany ny fitaleavam-paritry ny mponina ao Menabe hisorohana ny fanakorontanana mety hitranga. Ny fanabeazana, ny fampandrosoana ary ny filaminam-bahoaka dia adidintsika olom-pirenena rehetra hoy izy ireo.Efa nisy fanapaha-kevitra noraisina niarahana tamin'ny Ben'ny Tanana hamahana ity raharaha ity.

Pati
Legende : Tsy mbola nisy resaka fivarotan-janaka noho ny fahantrana tany Menabe
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap