airtel

Sosialy

14-janv-2026

Fitohizan’ny fisitrahantsika ny AGOA

Nankatoavin’ny depiote Amerikanina

Sample post image

Mahavelom-bolo ho an’i Afrika sy

14-janv-2026

Madagasikara ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Solombavambahoaka Amerikanina eo anivon’ny « House of Representatives », mikasika ny fanavaozana ny AGOA (African Growth and Opportunity Act), fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba amin’ny vokatra avy amin’ny firenena afrikana mankany Etazonia. Nankatoavina ny fanitarana mandritra ny taona telo manaraka, hatramin’ny 31 Desambra 2028, izay 340 nankato ary 54 nandà tamin’ny latsa-bato. Tsy nisy fanovana ny votoatin’ny lalàna, ary manokatra ny lalana ho amin’ny fanadihadiana ataon’ny Senat Amerikanina izany, amin’ny alalan’ny “Agoa Extension Act”. Fanitarana ny fampiharana tsy misy haba amin’ny vokatra avy amin’ny firenena afrikana, fanohizana ny fepetra manokana ho an’ny vokatra lamba sy fitafiana, fanamafisana ny « clauses » mifandraika amin’ny haba sy ny fepetra ara-barotra no voatoatin’izy io. Sokajiana ho dingana lehibe satria AGOA dia fototra iorenan’ny fiaraha-miasa tena stratejika eo amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’i Etazonia sy Afrika, ary manome antoka ny faharetan’ny asa maro, na any Afrika na any Etazonia. Na dia fandresena vonjimaika aza ny fankatoavan’ny Antenimierampirenena satria mbola ilaina ny fankatoavan’ny Antenimierandoholona, dia heverina fa dingana lehibe. Miditra amin’ny dingana sarotra kokoa ny lalàna, ka ny « lobbying » sy ny adisisika ataon’ny firenena afrikana, anisan’izany i Madagasikara, dia tena manan-danja amin’ny fanapahan-kevitra farany. Hisy ny ezaka iombonan’ny governemanta, ka ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) tarihin’ny Minisitra Andriamadison Haingotiana no hitarika ny ezaka, hiaraka amin’ny Masoivoho Malagasy any Washington sy ny sehatra tsy miankina toy ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires). Amin’ny ankampobeny, 50 000 eo ny asa mivantana sy ankolaka no miankina amin’ny AGOA. Ny vokatra lamba sy textile no mitana 70–80% amin’ny vokatra aondran’i Madagasikara. Eo ihany koa ny lavanila sy ny hanitra isan-karazany. 700–730 tapitrisa dolara isan-taona no vola miditra amin’ny fanondranana, raha raisina ho an’ny telo taona farany. Raha fintinina, ny fanavaozana ny AGOA dia fandresena lehibe ho an’i Madagasikara sy Afrika, saingy mbola miandry ny fankatoavan’ny Senat Amerikanina. Ny ezaka iombonana ataon’ny governemanta, ny masoivoho ary ny sehatra tsy miankina dia hanapa-kevitra ny hoavin’ny asa sy ny varotra ivelan’i Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

Raikitra ilay tetikasa Next Lead.

Card image cap