Lohalaharana amin’ireny ny adin’ny mpivady rehefa handoa trosa isaky ny faran’ny volana. Lasa tsy mahatoky ny vadiny intsony mantsy ilay loham-pianakaviana. Heverin’izy ireny ho ilay vehivavy no tsy mahay mitantana sy mandanilany foana nefa ilay vola hampiasaina mihitsy no tsy ampy intsony. Miakatra avokoa ny vidim-bary sy menaka hany ka tsy tafiditra intsony ny savony. Tsy maintsy hanaovana trosa ity farany noho izany. Tsy voavidy intsony ihany koa ny siramamy sy ny labozia ary ny saribao noho ny fiovaovan’ny vidin-jiron’ny JIRAMA hany ka tsy maintsy hatao trosa ihany koa ireto farany ka rehefa mitambatra dia tafakatra an’aliny maro mihitsy. Ny fanenjehana ny fidiran’ny mpianatra anefa tsy maintsy hatao….Tsy mahazaka izany anefa ilay Raim-pianakaviana rehefa tonga ny fotoana handoavana ilay trosa hany ka tezitra mafy. Misy mifampikasi-tanana mihitsy ny mpivady noho izany. Ny Fokontany hatrany moa no lasibatra rehefa misy tranga tahaka ireny izay tsy maintsy miezaka mampihavana ireo mpivady aloha mba hirindran’ny fiaraha-monina. Rehefa ny mpivady mantsy no miady dia voakorontana hatramin’ireo manodidina azy izay lasa hahazoana fitarainana maro ihany koa amin’izao.
Pati
Legende : Tsy ny vehivavy no tsy mahay mitantana fa ireo vidin’entana mihitsy no midangana !
Entrer
Rakotovao
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,