mpiasa malagasy maro fa miantso ireo raiamandrenim-pirenena mba hitarika ny fifampidinihana maika isorohana izay mety ho korontana eto amin’ny firenena, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tsy maintsy handraisanay mpiasa malagasy anjara, hoy izy ireo, izany fifampidinihana izany. Izahay ihany no fototry ny fanatanterahana izay tapaka amin’izany. Mitaky ny hirosoan’ireo mpisehatra politika sy ny fiarahamonim-pirenena amin’izany fifampidinihana maika izay tarihin’ireo raiamandrenim-pirenena izany mba ho fisorohana izay mety ho korontana eto amin’ny firenena ka mety hanimba indray ny toekarentsika sy ny tontolon’ny asa ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Mampahatsiahy izahay fa herivelona lehibe tsy azo tsinontsiniavina eto amin’ny firenena ny mpiasa malagasy ka tsy tokony atao rano dikain’ny zinga hatrany ka voatery hiaritra sy hanatanteraka hatrany ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-pahamarinana izay ifanarahan’ny mpanao politika eto amin’ny firenena nefa dia tondroi-molotra hatrany fa tsy mahay ka fototr’izao fahantrana izao. Ny tsy firosoana amin’ny fiaraha-midinika izay andraisan’ny mpiasa malagasy anjara dia midika ho fanaovana tsinontsinona ny hoavinay mpiasa sy fanaovana tsinontsinona ny ain’ny malagasy mpiray tanindrazana. Manome herinandro izahay mpiasa malagasy mba hirosoana amin’izany fifampidinihana izany raha tsy izay dia hajanonay ny fampandehanan-draharaham-panjakana mba hanehoanay fa herivelona mampiaina ity firenena ity izahay ka tokony ho henoina sy tsy ho teriterena, hoy hatrany izy ireo. Tsy amin’ny maha sendika no ijoroanay eto fa tena Fivondronana olompirenena miaina anaty sehatry ny asa izay mahatsapa fa voafetra ihany ny asan’ny sendika manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Ratolojanahary Maharavo na Doudou. Marary aminay loatra, hoy izy, ny fanilikilihana ataon’ny fanjakana sy ny mpanao politika anay. Tsy ny sitrapon’ny mpanao politika irery no atao eto. Mpampianatry ny EPP mbola FRAM. Vary iray daba no karamany nefa dia misy mirehareha eto hoe mandroso ity tany ity. Manangana sekoly nefa FRAM no mampianatra ao. Mila manaja ny mpiasa malagasy izay hitondra ity firenena ity raha tiana hilamina ity tany ity. Mety hitokona ny mpiasa raha ny sitrapon’ny mpanao politika foana no atao eto. Fa maninona no rehefa depiote no mitady dia omena izay tadiaviny na rehefa mpikamban’ny governemanta? Ny fangatahanay anefa dia tsotra hoe andao hifampidinika. Olona mila vaniny raha tsy hanaiky an’izany, hoy hatrany izy ireo sady nampiomana fa hanajanona ny fampandehanan-draharaham-panjakana raha tsy misy fifampidinihana.
J. Mirija
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,