ilaina amin’ny fiainana andavanandro niampy lamba firakotra ho an’ny Fokontany Ankady, kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly. Vokatry ny ezak’ireo mpianatry ny onivesite Isfps Leader no angady nananana sy vy nahitana izany izay efa fanaony isan-taona tao anatin’ilay loha-hevitra sady tenin’Andriamanitra hoe : Sambatra ny manome noho ny mandray. Ankoatra ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana mantsy dia bezaina ara-panahy ihany koa ny mpianatra ary indrindra ho lasa mpitarika sy hitantana ity firenena ity rehefa any aoriana. Tao anatin’ny hafaliana ihany koa no nandraisan’ireo olona sahirana izany izay samy nahatsapa fa vitsiana sisa ireo olona mahavita mijery ny sahirana tahaka izao fa ny tombontsoany no tena mahamaika azy. Ankoatra ny Fokontany Ankady Tanjombato moa dia fantatra fa zokiolona tsy mbola nahita ranomasina mihitsy monina ao Tsiadana no ho entin’ny filoha mpanorina ity sekoly ity Atoa Mahasoa Tsimiondrike haka rivotra any Toamasina amin’ity vakansy lehibe taona 2024 ity, raha efa notolorana sakafo sy fitafiana izy ireo tamin’ny fetin’ny 26 Jona lasa teo.
Pati
Legende : Ireo fikambanan’ny mpianatra nanolotra ny fanomezana ho an’ireo sahirana !
Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,