airtel

Sosialy

29-juil-2026

Grevy fitakiana

« indemnité de logement »

Sample post image

Milaza tsy hijanona ny mpiasan’ny CUA raha tsy azony

29-juil-2026

Nisy ilay didim-panjakàna 2026-1476 navoakan’ny Fiadidiana ny repoblika mba hisitrahan’ireo mpiasam-panjakàna sy vondrom-bahoaka itsinjaràm-pahefàna na CTD saram-ponenana na «indemnité de logement», hoy ny avy eo anivon’ny Sendikan’ny mpiasan’ny kaominin’Antananarivo renivohitra na SMKAR nanazava ny antony nitokonan-drizareo teo an-tokontanin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo etsy Analakely omaly. Nakarina ho 200.000 Ariary na 1.000.000Fmg io «indemnité de logement» io, hoy ny filohan’izy ireo, Raharijaona Jean François. Tokony nihatra tamin’ity volana jolay ity izany nefa tsy hita tamin’ny nandray karama, hoy izy. Izay no anton’izao fitokonana izao satria voafaritra anaty CTD ny kaominina. Tsy azon’ny mpiasa ny zo nampanantenàna azy dia tsy maintsy mijoro izy. Tsy resaka politika izany fa fitakiana zo maha mpiasa. Ampiharo ny didim-pitondràna efa navoaka. Raha milaza ny tompondraikitra hoe tsy ampy ny vola, tsy misy fifampiresahana ve moa talohan’ny namoahana fanapahan-kevitra? Mba miheritreritra aloha vao manao zavatra fa tsy manao zavatra vao miheritreritra! Tsy hijanona ny fitokonana raha tsy azon’ny mpiasa ny zony, hoy hatrany ny filohan’ny SMKAR. Lazaina fa tsy misy ilay volan’ny kaominina nefa misy kaominina ambanivohitra madinika kely any fa mahavita, hoy kosa ny solontenan’ireo mpiasa, Ankoay. Maninona i Antananarivo renivohitra mpanankarena be ity no tsy hahavita, hoy izy? Minisitera miisa firy vao mitovy amin’izany fiadidiana an’Antananarivo renivohitra izany moa no hoe tsy misy vola? Fahendren’ny mpitantana ny miala rehefa tsy mahavita, hoy hatrany izy. Nisy taratasy nalefa tany amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, minisitry ny atitany sy fitsinjaràm-pahefàna, praiminisitra lehiben’ny governemanta, filohan’ny fanavaozana, hoy ny filohan’ny SMKAR. Taratasy efa voarain’ireo tomponandraikitra ireo ary efa io ny marika na «référence» nandraisana azy, hoy izy sady nampiseho ny dika mitovin’izany taratasy izany. Nangatahana fihaonana ny filohan’ny fanavaozana ijerena izay azo amahana ny olana. Fitokonana faobe no atao, raha tsy mahafa-po ny vahaolana aroson’ny tomponandraikitra eo. Mikatona tanteraka dia mikatso ny raharahan’ny kaominina, hoy hatrany ny SMKAR.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Hiezaka hampitombo harinkarena ny fitondràna

Card image cap
31-juil-2026

omena izay tratra manao azy»

Card image cap
30-juil-2026

ny CUA tsy misy mpanolotsaina…

Card image cap
30-juil-2026

Hisy ONG mety hanampy azy

Card image cap