airtel

Sosialy

11-juin-2026

Haba TVM

mety hiteraka fahatezeram-bahoaka…

Sample post image

Hoditr'akondro napetrak'i Andry Rajoelina

11-juin-2026

Miteraka adihevitra mangotraka sy fanehoan-kevitra mafana eo amin’ny mpandoa hetra ny hetra vaovao amin’ny fitaovam-pitaterana mandeha motera (TVM), izay tsy maintsy aloha mialohan'ny 16 jolay 2026, araka ny fanambaran'ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny Fiadiadiana Jeneralin'ny hetra na DGI. Voalaza moa fa efa nisy ary nofoanana ny taona 2006 io no naverina 20 taona aty aoriana. Tao anatin’ny LFI na volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026 izay nataon’ny Fanjakana Rajoelina no niaingan’io. Midika raha raisina amin’io, fa hoditr'akondro napetrak'i Andry Rajoelina sy ny ekipany ity TVM ity satria tsy tena nanana fotoana nanaovana LFI izany ny Fanjakana fanavaozana, fa nandray sy nanohy, ary nanitsy izay heveriny fa tokony hampidirina mikasika ny andry sy fototra iorenan’ny fanavaozana. Hatramin’ny hetran-trano sy hetran-tany izay mba fidiram-bolan’ny kaominina natsimbadiky ny Fitondrana Rajoelina ho any amin’ny Fanjakana foibe. Aty amin’ny LFR na ny fanintsiana no afaka manova, saingy io efa misy fanambarana fampiharana io. Marihina hatrany, fa mila mila hatrany amin’ny 8 651,19 miliara Ar ny Fanjakana anatin’ny PAN (Plan annuel de financement), ka lojika raha manamafy ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra. Efa notaterina teto fa iharan'io ny fitaovam pitaterana rehetra: fiarakodia, fiara fitaterana entana, kodiaran droa, sambo misy motera ary fiaramanidina, na mandeha amin’ny solika, herinaratra na rafitra mifangaro. Tsy tafiditra ny fiaram-panjakana, mpitondra marary, mpamonjy voina,... Miankina amin’ny heriny, ny loharanon'angovo ampiasainy ary ny taonany ny haba. 5000Ar hatramin'ny 340 000Ar isan-taona io. Arakaraka ny maha antitra ny fiara no itomboan’ny vola aloa, manomboka amin’ny 15 000Ar ho an’ny fiara vaovao ka hatramin’ny 340 000Ar ho an’ny fiara diesel maherin'ny 15 CV. 200 000Ar kosa ho an'ny sambo fialam-boly. Ny fiara elektrika sy « hybride » kosa dia manana hetra ambany kokoa, manampy amin’ny fanentanana hampiasa angovo madio. Maro amin’ny olom-pirenena no manaiky fa ilaina ny fanangonan’ny fanjakana vola bebe kokoa hanohanana ny fampandrosoana, saingy misy ihany koa ny milaza fa tsy misy fandinihana lalina ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fepetra vaovao.
MANASASY IREO MANANA FIARA TRANAINY, NY FAMPIDIRANA FIARA ZAVA-DOZA…
Araka ny filazan’ny mpampiasa sasany, manasazy ireo tompon-fiara antitra izany, izay matetika mbola ampiasaina noho ny filàna fa tsy safidy, amin’ny toe-javatra izay mbola sarotra ho an’ny maro ny mividy fiara vaovao. Firifiry amin'ny taksibe eto Antananarivo ohatra no efa am-polo taonany maro ka raha handoa 340 000Ar isan-taona moa tsy hidingin-drambo hampiakatra saran-dalana? Mbola sarotra ary iaraha-mahalala anefa ny fahasahiranana amin'ny fampidirana fiara vaovao na mba ireo mbola taona vitsy niasana tany ivelany, indrindra ho an'ny olon-tsotra, izay tena vola tsy toko tsy forohana no aloha amin'ny ladoany. Mitaky mangarahara amin’ny fitantanana ny vola miditra sy vokatra azo tsapain-tanana na tamberin'andraikitra amin’ny lafiny fotodrafitrasa, tolotra,... ny olom-pirenena. Noho ireo ahiahy ireo, dia misy ny fangatahana hanemorana ny fe-potoana fandoavana ny TVM, na hampiato tanteraka ny fampiharana azy. Ireo mpanohana izany safidy izany dia manentana ny fanokafana fifanakalozan-kevitra eo amin’ny manampahefana sy ny mpisehatra rehetra alohan’ny hanatanterahana azy. Amin'ny lafiny iray, tsy afaka handeha hanao "opération soupe" na "opération gâteau" ny Fanjakana entina mameno ny kitapombolam-panjakana fa tsy maintsy amin'ny alalan'ny hetra, haba, findramam-bola avy any ivelany, fanohanana avy any ivelany,... saingy misy adihevitra ara-tsosialy sy ara-toekarena mila jerena ihany koa amin'ny lafiny iray raha tarafina amin'ny fimenomenonan'ny olom-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-juin-2026

00MW ny fahabangan’ny RIA hatreto…

Card image cap
10-juin-2026

ho an'i Madagasikara indray

Card image cap
10-juin-2026

Nataony teny Malagasy ny

Card image cap