Efa nisy ny fandraisan'andraikitry ny tompon'andraikim-panjakana any an-toerana toy ny prefen’i Toliara amin’ny fitadiavana vahaolana vonjimaika. Vary hahafahan’izy ireo misakafo isan’andro aloha araka izany no nomena. Ireo kaominina any amin’ny tapany andrefan’ny Nosy toy an’Ampanihy, Itampolo, Androimpano, Androka raha ny vaovao azo no tena ahitana mpitsoam-ponenana be indrindra amin’izao vokatry ny haintany. Mbola tsy nisy kosa hatreto ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana tonga any an-toerana. Ahiana araka izany ny hitomboan’ny isan’ireto mpitsoa-ponenana avy any Atsimo ireto hanenika ny faritra maro eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Mitangorongorona tahaka izao izy ireo
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.