airtel

Sosialy

15-janv-2026

HERINANDRON’NY ASA SOSIALY – FJKM

Manampy ny vahoaka ny Fiangonana,

Sample post image

manohana ny Fanjakana

15-janv-2026

Tsy afa-misaraka mihitsy ny fitoriana ny filazantsara sy ny asa sosialy » hoy ny filohan’ny FJKM ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, mpitandrina. 80 % mahery ny sahirana eto Madagasikara. Nisy hatrany ny asa sosialy nataon’ny fiangonana tsirairay tamin’izy ireny saingy tsy dia tena hita soritra loatra izany raha ny nambarany. Miara-miasalahy noho izany ny fiangonana sy ny fanjakana mba hanamafisana kokoa izany. Nanomboka omaly 14 hatramin’ny rahampitso zoma 16 Janoary 2026 , etsy amin’ny Kianjan’ny BAREA Mahamasina ny herinandron’ny asa sosialy foibe FJKM, andiany I, izay karakarain’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Hetsiky ny fiangonana mba hanakaikezana hatrany ny vahoaka sy hanehoana fa tena asan’ny fiangonana ny asa sosialy. Noezahana navondrona ao amin’ny Kianjan’ny BAREA Mahamasina avokoa ireo mpisehatra ara-pahasalamana, ara-panabeazana, arak’asa,…Hetsika ara-tsosialy maro no ho hita ao anatin’io telo andro, izay misokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra. « Marika ny fandraisana andraikitra sy fiahiana ny maha olona ny hetsika toy izao » hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Maneho amin’ny fomba hita maso fa rehefa miara-mientana ny fiangonana sy ny fanjakana dia afaka mamaly am-pahendrena sy am-pahombiazana ny filan’ny vahoaka. Manamafy hatrany moa Atoa lehiben’ny governemanta fa iray amin’ireo andry lehibe iorenan’ny politikam-pampandrosoana ny asa sosialy. Manohana ny hetsika sosialy, mitondra vahaolana ho an’ny vahoaka ary manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonim-pirenena rehetra ny fanjakana. Nanamafy kosa ny filohan’ny FJKM fa akaiky ny vahoaka sy manakaiky ny vahoaka ary mitondra izay mety ho anjara birikiny amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpiara-belona ny FJKM. Tsy ny fampianarana ara-panahy ihany no tanjona fa eo ihany koa ny fanabeazana ny olom-pirenena mba ho tompon’andraikitra, fijerena ny ara-pahasalamana sy ny asa sosialy.

LALAINA RAV

 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

Raikitra ilay tetikasa Next Lead.

Card image cap