tsara ny OMENA Movement
"Tsy fandre matetika ny hoe herisetra ara-tsaina raha oharina amin'ny herisetra ara-batana ary tsy dia nohalalinina araka izany koa ireo voka-dratsy haterany. Matetika anefa, dia miainga amin'ny herisetra am-bava, mivadika ho herisetra ara-tsaina izay vao tonga amin'ny herisetra ara-batana", hoy i Francesca Raoelison, mpanorina ny OMENA Movement.
TSY MAMPIVELATRA NY ANKIZY
Ny tsara ho fantatra anefa dia 77%-ny ankizy eto Madagasikara no iharan'ny herisetra ara-tsaina, izay matetika tsy hita maso ary tsy fantatra akory hoe fanararaotana. Toe-javatra izay tsy mampivelatra sy mampandroso an'i Madagasikara ihany koa. Amin'ny alalan'ny fahaiza-mifehy sy mandrindra ny fihetseham-po, mba hampitomboana lanja ny tena sy hanomezana lanja ny fihetseham-pon'ny hafa, mba hananana fifandraisana mafio lavitry ny fanararaotana sy ny herisetra izany no lalana hizoran'ny Omena Movement. Namoaka "éducateur communautaire" miisa 49 mianadahy indray izy ireo ny sabotsy lasa teo tetsy amin'ny Radisson Blu. Ireo tanora ireo dia nahavita fiofanana nandritra ny enim-bolana momba ny fahaiza-mifehy sy fahalalana ara-pientanam-po ary vonona izy ireo ankehitriny, hampita izany amin'ny fianakaviany, ny fiaraha-monina ary ny taranaka manaraka, amin'ny alalan'ny fampianarana, fihainoana ary fandraisana andraikitra amin'ny fiovana. Tsiahivina fa fikambanana tsy miankina iraisam-pirenena miasa ho amin'ny fisorohana ny herisetra ara-pientanam-po sy ara-tsaina, izay niorina tamin'ny taona 2019 i OMENA. Andraikitra roa ataon'izy ireo ny mampiely sy mampahafantatra ny faharatsian'ny herisetra ara-tsaina.
TONTOLO AN-TSEKOLY MILAMINA
Manabe ny ankizy, ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra momba ny fihetseham-po. Tao anatin'ny fito taona dia efa mpanabe miisa 425 no nofanin'i Omena ary olona maherin'ny 30.000 no voakasiky ny ezaka nataony teto Madagasikara sy tany ivelany. Mitady sekoly mpiara-miombon'antoka i Omena Movement amin'izao fotoana izao, izay vonona handray anjara amin'ny fandaharan'asa fanohanana momba ny fahaiza-manao ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po ary ny fanabeazana mirindra. Tanjona ny hanampy amin'ny fananganana tontolo an-tsekoly milamina, azo antoka ary manome lanja ny fahasalaman'ny sain'ireo mpianatra.
LALAINA RAV
Noraisin’ny Minisitry ny Fanajariana