airtel

Sosialy

04-janv-2023

Sosialy

Hetsiky ny mpiasan’ny DRH-MEN Fitokonana faobe voalohany amin’ity taona ity

Sample post image

Ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH-MEN mijoro ara-dalàna araka ny “récépissé” laharana 038 tamin’ny 1 jolay 2022 dia

04-janv-2023

nanao fanambarana tetsy amin’ny toeram-piasan’izy ireo etsy Mahamasina omaly fa tsy eken’izy ireo ny fanesorana noho ny antony tsy mazava ny lehiben’ny sampan-draharaham-pitantanana ireo mpiasa ao amin’izy ireo nefa na ny DRH lehibe aza dia miaiky fa tsy misy fahadisoana ara-kasa nataony na kely aza ary mandeha milamina sy mizotra araka ny tokony ho izy ny asa ataony. Takianay tsy misy fepetra ny fanafoanana ny didim-pitondrana laharana 33-610/2022 tamin’ny 14 desambra 2022 nanesorana io lehibena sampan-draharaha io. Takianay tsy misy hatak’andro koa ny famerenana azy amin’ny asany. Takianay ny handravana ny “Cellule d’appui” na sampana mpanampy izay tsy ao anaty rafitra akory. Izany hoe aleo ny sampan-draharaha tsirairay no hitantana ny fandrindrana ny asany ahazoana vokatra tsara. Efa nisy ny fifanatonan’ireo tomponandraikitra mahefa isan’ambaratonga nefa tsy nisy valinteny hatramin’izao. Tapitra ny 72 ora napetraka hamahana ireo fitakiana eo ambony ireo ka ambaranay ho ren-tany, ho ren-danitra fa manomboka anio 3 janoary 2023 izahay dia miroso amin’ny fitokonana faobe ka tsy hiasa mandra-pivalin’ny fitakiana rehetra. Ny lafiny mahaolona no kirakiraina ato ka tsy ekena ny fanapahan-kevitra miteraka fampikatsoana toy izao. Tsy misy an’izany resaka kolikoly 3000 Ariary alainay izany. Omeo ny porofo raha misy, hoy hatrany izy ireo. Ity izany no fitokonana faobe voalohany nataona mpiasam-panjakana tamin’ity taona ity.

J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SEM DRH-MEN, Rakotomalala Diamondra
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap