mandritra ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena na ny fetin’ny 26 Jona ho avy izao. Hetsika ara-tsosialy marobe izay mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana no tena hanamarika izany ho azy ireo toy ny didim-poitra faobe izay hitetezana ireo Fokontany miisa 20 mandrafitra ny kaominina. Ny dokotera mihitsy no hanatona ny mponina mandritra izany izay tsy handoavam-bola raha efa mahatratra 60.000 Ar ny mora indrindra manao izany ankehitriny. Toraka izany koa ny fizarana solombody akoho ho an’ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona izay hotanterahina eny anivon’ny biraom-pokontany ihany koa ny datin’ny 20 Jona ho avy izao. Rindran-kira sy zava-kanto kosa no hanohizana izany ny datin’ny 25 Jona raha hisy ny hiragasy goavana ny andron’ny 26 Jona. Izany rehetra izany no hatao dia ho fanomezana fahafaham-po ny mponina, raha araka ny fanazavana azo.
Pati
Legende: Tsy adinon’ny kaominina Alasora ny manao didim-poitra faobe tahaka izao isan-taona !
Tena misy hifandraisany ny fiainam-pirenena sy ny fivavahana.
Miaina ny tsy rariny ireo mpiasan’ny Vitaplast. Tsy manaja ny zon’olombelona
Mitontaly 233 isa ireo bekotro maro holatra eto amintsika amin’izao.