Hofehezina avokoa manomboka izao ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola ao anatin'ny kaominîna Ambohidrapeto, Distrikan' Atsimondrano hahafahana mandrindra sy mandamina ny fiaraha-monina. Nihaona mivantana tamin'izy ireo ny Ben'ny tanana Mihary Andriantsilavo ny faran'ny herinandro teo niresaka momba ny tokony hanajana ny fiara-monina sy ny fitsipika mifehy izany. Nahazo ny anjarany koa ireo mpivarotra mihenahena tsy mety miditra amin'ny ara-dalana. Nambarany fa tokony hiditra amin'ny ara-dalana rehefa manao io asa io ho fanajana ny rehetra. Tsy misy ny ambonin'ny lalana hoy izy. Hisy araka izany manomboka izao ny fanaraha-maso akaiky hataon' ny kaominina ho an'ireo mpivarotra zava-pisotro minia mandika ireo lalana mifehy ary handraisana fepetra avy hatrany . Am-polony maro izy ireo raha tsiahivina. Misokatra manomboka amin'ny 08 ora maraina ary tokony hikatona amin'ny 09 ora alina avokoa mba tsy ho sanatria ho fialonkalofana na fieren'ny jiolahy sy ny mpivaro-tena.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireo.mpivarotra zava-pisotro misy alikaola ao anatin'ny kaominîna Ambohidrapeto !