airtel

Sosialy

25-févr-2022

Sosialy

Kaominina Andoharanofotsy Hahaleo tena ara-drano no tanjony

Sample post image

Ny rano fisotro madio no mbola tena olan’ireo fokontany 2 amin’ny 8 mandrafitra ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano amin’izao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa,

25-févr-2022

fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Tota. Anisan’ny tanana tena goavana sy lehibe anefa Andoharanofotsy hoy izy saingy mbola vitsy amin’ireo tokantrano ao an-toerana no manana rano fisotro madio. Manana nofinofy sy tanjona hahaleo tena ara-drano araka izany ity kaominina ity. Amin’ny alalan’ny fitrandrahana ilay tendrombohitra ahitana ilay soratra Astro no hanatanterahana izany. Ireo Fokontany miisa 2 no ezahina hovatsiana rano amin’ny alalan’ity tetikasa ity izay nomarihiny manokana fa horaisin’ny kaominina an-tanana mihitsy ny famatsiana azy fa tsy hankinina amin’ny orinasa JIRAMA intsony. Ankoatra izay dia manantena sy mino ny fanampian’ny Fitondram-panjakana azy ihany koa ity Ben’ny tanàna ity. Anisan’ny handrandrainy ohatra ny fisian’ny kianja manara-penitra ao an-toerana, ny tsena vaovao foto-drafitrasa izay efa nantenainy hatramin’ny ela. Nomarihiny moa fa ny kaominina iadidiany no misy ny lapam-panjakana Iavoloha noho izany dia mino izy fa tsy hamela azy ho irery ny fitondram-panjakana.
Pati
Legende : Rakotoarimanana Henintsoa Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy
 

Dans la même rubrique

28-sept-2023

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na

Card image cap
28-sept-2023

Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony

Card image cap