airtel

Sosialy

13-août-2024

Kaominina Antananarivo

Vehivavy marefo 160 ireo nahazo fanampiana

Sample post image

Miisa 160 ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana marefo eny anivon’ny Fokontany

13-août-2024

nahazo fanampiana omaly Alatsinainy 12 Aogositra. Anisan’ny nisitraka izany ny tao amin’ny Boriborintany voalohany sy fahatelo, fanomezana avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ankoatra ny vary, ny menaka, ny savony, ny voamaina ary kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavan'andro dia nomena fampaherezana ihany koa izy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana amin’ny andavanandro. Ny 45 isa tamin’izy ireo moa dia tao amin’ny Boriborintany voalohany raha avy ao amin'ny Boriboritany Fahatelo kosa ny 115 isa ambiny. Izao hetsika izao no natao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Kaomina Antananarivo renivohitra amin'ny alalan'ny Fitaleavana misahana ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina (D3P) ary ny Vondrona Imperial Brands.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

mitsangana handrodana rehefa feno ny kapoaka

Card image cap
30-mai-2025

Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,

Card image cap