airtel

Sosialy

04-juin-2024

Kaominin’i Mahajanga

Ariana any an-dranomasina ny fako

Sample post image

Tanànan’ny fizahantany i Mahajanga. Saika mandalo ao avokoa na ireo mpizahantany

04-juin-2024

vahiny avy any am-pitan-dranomasina na koa ireo malagasy mila ravinahitra any mandalo eto, indrindra moa fa ireo mpizahantany ato anatiny. Manahirana nefa ny miheritreritra ny afitsok’ireo mpiasan’ny kaominina ao an-toerana amin’ny resaka fitantanana ny fakon’ireo mponina satria dia tsy tahotra tsy henatra fa ariana any an-dranomasina ny fako. Mpiasan’ny kaominina manao fanamiana enti-miasa sy mitondra ilay borety fakana fako iny mihitsy moa no azo sary nanao izany. Tafahoatra ve ny tsy fahafaham-po amin’ny resaka karama na tambin-karama sa inona no tena fototry ny olona fa heverina fa tena tokony handray ny andraikitra tandrify izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana aloha!?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap