Mitovy avokoa io na vao teraka na efa 16 taona raha efa misy mahatratra 200.000 Ar ny an’ny sasany. Betsaka amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no tsy manana fahafahana ny handoa io vola io, antony manosika ny kaominina Talatamaty hanao didim-poitra faobe maimaimpoana ho an’ireo mponina ao aminy isan-taona. Tsy handoavam-bola izany rehefa volana Mey na Jona saingy tsy maintsy misoratra anarana mialoha kosa. Ankoatra ny fandidiana dia mbola manome kilalao sy malabary ho an’ilay zaza ihany koa ny kaominina, hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Zazalahy kely manodidina ny 300 isa isan-taona moa raha kely no mahazo tombony amin’izany, ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ity kaominina ity. Ho an’ity taona 2023 ity moa dia fantatra fa efa miparitaka eny anivon’ny Fokontany ny filazana hahafahan’ny mponina misitraka izany.
Pati
Legende : Tsy handoavam-bola ny fanaovana didim-poitra faobe ho an’ny kaominina Talatamaty
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.