airtel

Sosialy

22-mars-2024

Karaman’ny tsy miankina hiakatra 10%

Tena hihatra ara-bakiteny sa hijanona ambony latabatra?

Sample post image

Nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 20 martsa

22-mars-2024

lasa teo ny hampiakarana 10% karama farany ambany eto Madagasikara. Nambara fa efa nisy ny fivoriana niarahan’ny Vondron’ny Orinasa Malagasy sy ny Vovonan’ny sendikan’ny mpiasa Malagasy tamin’ny 15 febroary ka nifanaraka ny roa tonta mba hampiakarana amin’io taha ion y karaman’ny mpiasa sokajy voalohany na « M1 ». Arakaraka ny sokajy kosa manomboka eo amin’ny M2 hatramin’ny OP3. Lasa 262 680Ar noho izany ny karama farany ambany ao anatin’ny sokajy M1-A1 eo amin’ny sehatra ivelan’ny fambolena na “secteur non agricole” raha 238 000Ar izany teo aloha. Ho an’ny sehatry ny fambolena kosa dia ho lasa 266 500Ar raha 242 200Ar teo aloha. Notsipihina ao anatin’io tatitry ny filankevitry ny Minisitra io, fa ampiharina manomboka ny 01 martsa 2024 ity fampiakarana karama amin’ny sehatra tsy miankina ity. Nomarihina ihany koa fa tsy maintsy ankatoavin’ny CNT na Filankevitra nasionalin’ny asa ny soso-kevitra ifanarahan’ny mpampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa, araka ny voalazan’ny andininy faha-184 sy ny manaraka ao anatin’ny lalàna fehizoro 2003-004 tamin’ny 28 jolay 2024 miksika ny fehezan-dalàna mifehy ny asa Malagasy. Vitan’ity filan-kevitry ny minisitra ity sa mbola miandry didim-panjakana? Ny orinasa samihafa aty amin’ny faha-20n’ny volana no manao ny kajin’ny karama ka ho voahenjika ve io?Mifamahofaho avy hatrany ny hevitry ny rehetra hoe: ho voahaja ny fampiharana an’io sa hanao tahaka ilay tamin’ny jolay 2022 izay nampiakarana ny vidin-tsolika ho nidangana hatrany amin’ny 45% nanapahana hevitra ny hampiakarana ho 250 000Ar ny karama farany ambany. Tsy naharitra ela dia nivadika ny Fanjakana satria tsy nanome ilay 12 000Ar anjara tohana avy aminy, ka dia lasa 238 000Ar ilay izy na 250 000Ar aza no nolazaina tany anaty lalàna. Tena ho voahaja indray ity fampiakarana ity sa ho resaka ambony latabatra sy pimaso amin’ny vahoaka fotsiny ihany? Mafampana rahateo ny krizy ara-tsosialy, akaiky fifidianana, ka mety mandeha ny fomba rehetra hitadiavana izay hanalefahana azy. Ny irariana dia tena hihatra tokoa, fa tsy fampandriana adrisa. Na izany aza, ekena fa tsy mitovy ny misy an’izany sy ny tsy misy, saingy tena tsy mahasehaka ny fidangan’ny vidim-piainana sy fahantram-bahoaka io. Ny tatitry ny Banky Foiben’I Madagasikara ny volana febroary lasa teo, dia namoaka fa 10,2% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tao anatin’ny herintaona, izay midika fa ny teo ihany no teo na miakatra 10% aza ny karama. An-taratasy no 10,2% ny fiakarana, fa amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro dia tena ambony lavitra. Ambany dia ambany ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ka io no tena mila hakarina. Mila hamafisina ny politikam-pamokarana mba tena hiantraika amin’ny toekarena far aha hiaina amin’ny vahaolana pômady sy resaka ambony latabatra eto dia mazava ho azy fa ahiana hitombo hatrany ny olona hilentika ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana na dia efa ny 75,2% amin’ny Malagasy aza no miaina ambanin’ny 4000Ar isan’andro.
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique