airtel

Sosialy

28-oct-2022

Sosialy

Kariera vaky any Didy… Feno Sri-Lankais Ambatondrazaka

Sample post image

Tsikaritra ny fisian’ireo teratany vahiny Sri-Lankais maro mihaolohaolo ao an-tanànan'Ambatondrazaka renivohitra amin’izao fotoana izao. Efa ho volana vitsivitsy izay, tsy fantatra mazava ny tena anton-diany,

28-oct-2022

na ny tena isan'izy ireo, fa dia miriaria tsy misy ahiahy na tahotra ry zalahy, feno azy ny elakelan-trano, hoy ny fanamarihana. Miteraka korontana ara-piarahamonina satria betsaka ireo Ray aman-dReny manan-janaka vavy no mitaraina, vokatry ny toetra mamoafady ataon'ireto vahiny ireto, ankoatra ny tsy fandriampahalemana izay iainana isan'andro, manginy fotsiny ny tsy fanajàna ny "code de la route", hoy ny fanamarihana. Raha ny fanadihadihana dia misy olona ambony aty an-toerana, miaro sy mandray " écolage " amin'ireto vahiny ireto, no antony mahatonga azy ireo misetrasetra sy tsy manome hasina ny mpiara-monina, hoy hatrany ny fanamarihana sy fampitam-baovao iray. Antony mampirongatra ireo Sri-Lankais ny fisian’ny resaka karierana vatosoa vaky indray any amin’ny Faritr’alan’i Didy. Raha ny loharanom-baovao azo antoka, any amin’ilay kariera efa namoaka vatosoa tany amin’ny taona 2012 io malaza fa vaky io. Manomboka maro ny olona mirohotra any an-toerana amin’izao na ny eo an-tanàna na ireo avy amin’ny faritra ivelan’Ambatondrazaka, ary efa misy amin’ireo Sri-Lankais ihany koa no voalaza fa efa tonga any Didy. Tsy mbola misy akony betsaka kosa hatreto hoe: tena mbola mamoaka vato ve ilay kariera sa tsia, saingy efa manomboka miely ny fahavakisany indray.
TSY TENA MISY TAMBERINY HO AN’NY KAOMININA
Misy ny tombony ateraky ny fisian’ny kariera fitrandrahana vatosoa satria mampidi-bola ho an’ny mponina, mitobaka ny vola rehefa tena misy ny vato mivoaka, saingy mitombo ihany koa ny tsy fandriampahelemana amin’ny endriny maro. Tsy tena hita ihany koa etsy andaniny ny tamberiny hoentiny ho an’ny kaominina sy ny tanàna, tsy arakaraka ny harena mivoaka sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana noho ny fitrandrahana ny fandrosoana satria raha ny làlana makany Didy izany izao, dia tany amin’ny taona 2004 no no nisy tena fanamboarana lehibe farany, hany ka potika tanteraka. Misy tetezana miisa roa dia ao amin’ny tanàna antsoina hoe: Amboarabe sy Antsevabe simba sy nihotsaka efa taona maromaro noho ny rivodoza kanefa tsy misy fanamboarana hatramin’izao. 30000Ar hatramin’ny 80000Ar ny saran-dàlan’ny taxi-moto amin’ny làlana 42km monja,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap