airtel

Sosialy

09-nov-2022

Sosialy

Krizy ara-bola sy ara-tsakafo Vao mainka ho loza ny 2023 raha tsy miomana

Sample post image

Efa naman’ny vita, ary tsy misy zavatra antenaina firy amin’ity taona 2022 ity, raha resaka famahana olana sy fampandrosoana firenena.

09-nov-2022

Mbola ahiana ho henjana ihany koa anefa ny 2023 raha ho antsika eto Madagasikara manokana. Ahiana hihamafy ny krizy maneran-tany noho ny tsy fahamarinan-toerana samihafa : ady any Ukraine, ankivy mahazo an’I Eoropa, fihenan’ny fanondranana maneran-tany,… Isan’ny fialana balan’izao fitondrana ankehitriny izao ny krizy eran-tany. Na nanao vava be aza tamin’ny propagandy 2018 fa tsy hampandroso ny fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra na amin’ny 2060 aza ary rehefa Rajoelina eo no dia isika aza no hampindrana an’i Kaomoro, dia miharihary ankehitriny, fa vavan’ny maty an-drano ireny, fomba natao hakana vato namitahana vahoaka satria tsy misy hafitsoka raha tsy misy famatsiam-bola, ary toa mbola iankinan-doha ny 70 hatramin’ny 80% amin’ny vola hanodinana ny Fanjakana. Ankehitriny, betsaka ny tetikasa tanisain’ny Filoha ankehitriny fa mbola hataony, saingy tsy vita na tsy ho vita raha tsy misy mpamatsy vola : Autoroute, teleferika, Fly over, Tanamasoandro, pipeline, « gymnase » manara-penitra,… Ny krizy maneran-tany etsy andaniny mihamafy ka samy hikofoka hanarina ny toekareny, fa tsy hisy hiasa saina firy amin’i Madagasikara izany. Ny Fitondrana etsy andaniny iarahan’izao tontolo izao mahita ny tsy fahombiazany, ny tsy fahafehezany ny diplaomasia, ny kolikoly mandrakotra ny rafi-panjakana, ny mpitondra ambony be afera,… Tsy hisy fahagagana firy antenaina amin’izao fitondrana izao mazava ho azy.
HIHENA NY FAMATSIANA ARA-TSAKAFO MANERAN-TANY
Ny tena zava-doza ho antsika raha tsy hiomanana, dia ny resaka fanafarana sakafo. Laharana faha-17 isika tamin’ny fanafarana entana sy vokatra avy tany Ukraine, toy ny varim-bazaha, lafarinina,… saingy efa tapitra iny noho ny ady. Tsy hiasa saina firy amin’i Madagasikara izany ireo, fa ny zavatra lehibe momba ny maha olona izay efa mandeha foana no mety tena hanipazany maso tahaka ny kere any Atsimo. Manomboka mifehy sy mampihena ny fanondranany ireo firenena matanjaka amin’ny famokarana toy ny vary, varim-bazaha, menaka,… toa an’i Inde, Chine, Pakistan,… ianteheran’izao tontolo izao. Midika izany fa hihena na tsy hisy intsony ny fanondranana, hiakatra ny vidiny rehefa tsy dia misy, hidangana ny vidim-piainana, raha tsy manana politika mazava. Ny firenena matanjaka mety manam-bola hividianana fa isika ho aiza ? Mifandraika amin’izany ve ny zavatra ampanantenaina hatao eto? Ny mpamatsy vola efa niantso fa mila mamboly sy miompy, ary raha mandray firenen-kafa toa an’i Rwanda izay isan’ny fitaratra aty Afrika dia nanapa-kevitra hanatontona volabe amin’ny famokarana, isan’ny fanambiny ny hahavita tena ara-tsakafo hatramin’ny 2025. Asa aiza ho aiza amin’izany ny Fanjakan’i Mamim-bahoaka? Tsy dia misy fahagagana azo antenaina, mila fiovana sy fanovana raha tsy te hifafa ny kiho hatrany!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap