Isan’ny hotsidihiny ny Fondation Akamasoa an’I Mopera Pedro etsy Andralanitra ary hisy ny fihaonana eo amin’ny sy ny Talen’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny Rantsana momba ny fiarovana sy ny fitantanana ny hamehana (CPGU). Hidina ifotony any amin’ireo faritra nolalovan’ny rivodoza tamin’ny 2022 sy tamin’ity 2023 ity ihany koa, dia any Fitovinany sy Vatovavy, ka hihaonany amin’ireo manam-pahefana any ifotony, ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny mponina any ifotony, fa indrindra ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka ireo tetikasa momba ny maha olona sy ny fampandrosoana, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola. Eto Madagasikara, ny Vondrona Eoropeanina no voalaza fa nitondra setriny betsaka indrindra tamin’ny tohana momba ny maha olona niatrehana ny hamehana sy fiomanana tamin’ny haintany tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy. Ny taona 2022, voalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 19,9 tapitrisa euros no tohana momba ny mahaolona nentiny, raha toa ka 12 tapitrisa euros ny taona 2021.
Toky R
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !