airtel

Sosialy

10-juin-2026

Lapan’ny Firenena

Mikambana ao Genève

Sample post image

Nataony teny Malagasy ny

10-juin-2026

lahatenin'ny Minisitry ny Asa, Me Coco
Niavaka ny fandraisam-pitenenan’ny delegasiona Malagasy tamin’ity Fivoriana Iraisam-pirenena faha-114 momba ny Asa tao amin’ny Lapan’ny Firenena Mikambana ao Genève Soisa ny harivan’ny Alatsinainy 08 Jona 2026. Tamin'ny teny Malagasy ranoray no nanaovan' ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, DENIS Franconio Mac fantatry ny maro amin'ny solon'anarana hoe : Maître Coco ny lahateniny nanoloana ireo firenena an-jatony mivondrona ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (Organisation Internationale du Travail – OIT). Efa nomaniny mialoha ny fandikana ny lahateny ho amin’ny tenim-pirenena hafa ampiasaina ao amin’ny Lapan’ny Firenena Mikambana ao Genève Soisa, mba hahafahan’ny rehetra manaraka ny kabary natao. Tanjona ny fanomezana hasina an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao, amin’ny fampisongadinana ny maha-Malagasy sy fanandratana ny tenim-pirenentsika indrindra amin’izao iray Volan’ny Teny Malagasy izao. Notsipihin'ny Minisitra nandritra ny lahateniny ny fametrahana ny olombelona ho ivon’ny fampandrosoana. Antoky ny fanatsarana ny tontolon’ny asa ny fanomezana fampiofanana, ny fampananana asa ho an’ny tanora, ary koa ny fanohizana hatrany ny ezaka fampidirana ireo mpisehatra ao amin’ny manara-drafitra.
Jean D.
DENIS Franconio Mac, Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa sy ny Asam-Panjakana

 

Dans la même rubrique

14-août-2026

ireo tanora sy vehivavy

Card image cap
13-août-2026

nivarotra amoron-dalana

Card image cap
13-août-2026

ireo olona ho voakasika

Card image cap
13-août-2026

Nanolotra vary 5000 taonina ho an’i Madagasikara

Card image cap
13-août-2026

Nahitana fiakarany in-droa mihataona

Card image cap