maharitra manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Amin’ny tetibola 1,2 miliara dolara novinavinaina amin’ny drafitr’asa hanafainganana ny fiatrehana ny krizy ara-tsakafo, hisy 23 tapitrisa dolara haompana amin’I Madagasikara manomboka izao hatramin’ny 2023 mba hisorohana amin’ny fiantraikany sy ny fahafatesana ankizy maro. Hatreto mantsy, tombanana ho hatrany amin’ny 500 000 ireo ankizy ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny any Atsimon’i Madagasikara ho an’ity taona ity fotsiny, ka ny 91 000 dia tena ao anatin’ny endrika mampivarahontsana. Nanangana drafitra hoenti-misoroka sy mampihena ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka noho izany ny UNICEF, ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka, izay nampifandrohizina amin’ny tanjona ankampobeny hiadiana amin’ny amin’io loza miseho amin’ny endrika fahantrana lalina io. Mahatratra hatrany amin’ny 577 tapitrisa dolara nanomboka ny jolay teo ny vola narotsak’ireo governemanta, rafitra misahana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ireo mpanolotra fanomezana tsy miankina nentina namaliana ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy any amin’ireo firenena tena llasibatra. Ny 60% amin’io vola io dia hampiasaina amin’ny fidirana an-tsehatra mivantan’ny UNICEF hisorohana, hitsirihana, ary hiantsorohana ny fikarakarakana ireo ankizy, hitarina amin’ny fahafaha-misitraka sakafo ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana, ary vokatra mitondra hery fiarovana izay ilaina indrindra fa ao anatin’ny krizy.
Toky R
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,